« Hataontsika laharam-pahamehana ny fiahiana ara-pahasalamana ho an’ny mpiasa », hoy ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Florent Soatiana Bety Leonne, tany Ranomafana, Vatovavy, ny herinandro teo. Nanteriny fa miahy ny fisitrahan’ny mpiasan’ny fahasalamana ny minisitera. Tafiditra ao anatin’ny fametrahana ny politikan’ny asa mendrika izany, araka ny nambarany. « Mahazo […]
Auteur/autrice : Adnews
FJKM Manankasina : Hanorina fotodrafitrasa
Nambaran’ny mpikarakara sy ny solontenan’ny zanaka am-pielezana fa manana vina ny fiangonana FJKM Manankasina Fanantenana, Alakamisy Fenoarivo. « Anisan’izany ny hampitomboana ny fotodrafitrasa, ny trano vatom-piangonana », hoy izy ireo. Na izany aza, marefo ireo ao an-toerana ka nahatsapa ny tokony hanampiana ny reny fiangonana hahatanteraka izany, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa hitadiavam-bola, ireo […]
Fikaonandoham-pirenena kristianina: Hanomboka anio ary haharitra hateloana eny Mandrimena
Natokana ho an’ny rehetra vonona hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiainam-piangonana ny fikaonandoham-pirenena kristianina. Hanomboka anio ary haharitra hateloana ny fikaonandoham-pirenena kristianina voalohany eto Madagasikara, hotanterahina eny amin’ny ISTS Mandrimena Iavoloha. Tafiditra amin’ ny fanamarihana ny faha-190 taonan’ny Baiboly ny hetsika. Misahana ny fanomanana izany ny […]
TSELATRA
Nosoloina ny CB sy ny delege miasa eo anivon’ ny kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, taorian’ ny fitokonana nataon’ny fokonolona. Ny fisian’ny tranga kolikoly sy fangalana vola tsy ara-drariny momba ny fanoratana omby anaty boky sy taratasin-tany tamin’ny vahoaka tao an-toerana no antony. Dahalo nangala-basy tao Beroroha Atsinanana, lavon’ny balan’ny zandary, ny […]
Ambodivona : Lehilahy nangalatra 5 tapitrisa Ar voasambotra
Mpiasa nangalatra volan’ ny mpampiasa azy voasambotra tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Ambodivoina, ny 16 novambra teo. Niasa tao amin’ny tranombarotra iray tao Mananara Avaratra io lehilahy io. Nanararaotra ny fahatokisan’ny mpampiasa azy izy ka nanjavona nanomboka ny 10 novambra lasa teo. Nanamarina ny vola tao an-tsena ny mpampiasa azy, kinanjo […]




