Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 15 hatramin’ny 20 desambra izao, ny herinandron’ny Karate-do eto Madagasikara. Hizara roa mazava tsara ny fandaharam-potoana amin’izany ka, ny 15 hatramin’ny 17 desambra no nanatontosana ilay Gashuku nasionaly, izay hanomezana fiofanana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ary mpandraharaha nasionaly eo anivon’ny taranja karate. […]
Auteur/autrice : Adnews
Barean’i Madagasikara : Roa ihany ny mpilalao avy eto an-toerana
Mpilalao 22 nantsoin’i Corentin Martins, hiatrika ilay lalao ara-pirahalahiana, hihaonana amin’i Guinée Equatoriale, any Torkia, ny 17 novambra ho avy izao. “Roa ihany !” Ramandimbisoa Michel, na i Toldo, sy Rabemanantsoa Radoniaina, no hany mpilalao avy eto an-toerana, tazana anatin’ny lisitry ny Barea A, nivoaka omaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Mitotaly […]
INDRAY MIJERY
Noraisin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny tambajotran’ireo olona manana fahasembanana, omaly. Teo koa ny federasionin’ny olona manana olana ara-pihainoana niaraka tamin’ny solontenan’ireo mpandika teny tanana. Maro ny lohahevitra niaraha-nidinika ka anisan’izany ny fampitomboana ireo mpanao dikanteny tanana amin’ny haino aman-jery. Manamarika ny faha-40 taona nijoroany ny Akanin’ny Marenina […]
Fivarotana sigara sy toaka: Voarara ny fanaovana dokambarotra sy fanentanana
Maro ny zavatra tsy azo atao momba ny fanjifana sigara sy paraky eto Madagasikara. Anisan’izany ny tsy fahazoana mifoka sigara eny amin’ny toerana ivezivezen’ny olona. Tsy fahafahan’ny ankizy latsaky ny 18 taona mividy sigara. Tsy fahafahana manao dokambarotra amin’ny fivarotana ireo vokatra ireo. Tsy azo atao ny manentana na mandoka […]
Gen Z Madagascar: Vonona hanohitra ny tsy mety
Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny Gen Z Madagascar, omaly, tetsy Ampandrana. Maro ny tolo-kevitra nentin’izy ireo manoloana ny fijoroan’ny fitondram-panjakana misy amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny filazana fa vonona hanao fanadihadiana tamin’ny zavatra tsy nety teo aloha izy ireo. Anisan’ny notakina koa ny hamongorana ny kolikoly amin’ny endriny rehetra […]




