Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ireo lalao ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Senior, lehilahy. Hifandona ny HC Est Atsi­mo Andrefana sy ny Vasia Ihorombe, ny HBC Cut sy ny Masôva ary ny ASRB sy ASSM. Eo koa ny Littoral SC sy ny HTHB. […]

“Ankizy milalao”: Hisy sokajy vehivavy

Hotontosaina ny 8-9 novambra 2025, etsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Hetsika natao hanomezana sehatra ho an’ny ankizy mpankafy ny baolina kitra ary hahafahan’izy ireo mampiseho ny talentany. Hifanintsanana amin’izany ireo sokajy: U7, U9, U11, U13. Hampiavaka azy ny fisian’ ny sokajy vehivavy. […]

Judo-Maitre Arsène: Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny IJF Academy

Misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny Malagasy mpisehatra amin’ny judo. Mpanazatra iray no nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny judo (IJF Academy), ny herinandro teo, dia ny Maître Randrianitovina Arsène Nambinina. Mpanazatra nasionaly eo anivon’ny Federa­sionina malagasin’ny Judo Randrianitovina Arsène Nambinina. Niatrika fiofanana nampitain-davitra nandritra ny 18 herinandro, niampy […]

Oniversiten’Antananarivo: Panneau miisa 1 092 hanazavana ny tanàna

Nitondra vahaolana mom­ba ny herinaratra avy hatrany ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampianara­na ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nitondra panneaux solaires miisa 1 092 izy ireo hanazavana ny tanàna. Ny 804 amin’ireo dia manana tanjaka 590W ary ny 288 kosa 720W. Misy ihany koa ny fitaovana hafa miaraka aminy, toy […]

Lalànan’ny asa: Mampigadra ny fanararaotana any anaty orinasa

Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampanananasa ny fehezan-dalàna mifehy ny asa, laharana 2024-014, andininy faha-358, miresaka ny amin’ny herisetra sy fanararaotana eo amin’ny tontolon’ny asa. Voalazan’izany lalàna izany fa na iza na iza ao amin’ny toeram-piasana ka meloka noho ny fa­nararaotana ara-tsaina dia sazina an-tranomaizina 3 vo­lana […]