Iray amin’ireo tetika nambaboan’ny vahiny an’i Madagasikara ny fianaran-dry zareo ny tantara nisy teto Madagasikara. Nanatanteraka io iraka io ireo mpitondra fivavahana sasany, ireo mpahay tantara vitsivitsy, ny mpahay taozavatra, sns. Ireny no anisan’ny nampita izany tany amin’ny firenena naniraka azy… Ny Malagasy na ireo firenena nozanahiny kosa, nezahan-dry zareo […]
Auteur/autrice : Adnews
“Slam national” andiany faha-16 : Efa misy fantatra ireo solontenam-paritra
Hiady ho tompondakan’i Madagasikara ireo solontenam-paritra amin’ny “Slam national”. Fifaninanana lehibe indrindra amin’ity taranja ity izany, ary dingana maro no natrehin’ireo mpifaninana. Indiamahery (Analamanga), Papry Jr (Alaotra Mangoro), Koura (Vakinankaratra), Ash (Sava), Mafia (Boeny), Luciana (Diana) ary i Lems (Atsinanana). Ireo aloha no efa azo antoka fa hifaninana mandritra ny […]
FANTINA sy FINTINA
Ho fantatra anio ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta, hotarihin’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Efa nampanantena ny eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny herinandro teo fa tokony ho tamin’ny alahady teo izany. Amin’ity anio ity izany vao ho tanteraka. Tsy hanaiky ny hidinan’ny mpitarika ny hetsika ataon’ny mpomba ny […]
CCOC – tetibolam-panjakana: “Tokony hiaraha-midinika ny famolavolana izany”
“Heverinay fa tsy tokony ho maika hiroso amin’ny famolavolana ny tetibolam-panjakana 2026 ny fitondrana. Fifanakalozan-kevitra politika iarahan’ny hery velona rehetra ny lalana tokony hizorana amin’izao”. Io ny fanambaran’ny sekretera jeneralin’ny firaisamonina sivily CCOC, i Radert Hony, teny Ambatonakanga, omaly, ny amin’ny fandrafetana tetibolam-panjakana. Izay no hamoaka izay ho firafitry ny […]
Tsy mora ny manao zavatra
Mimenomenona ny iray tanàna fa hoe mitarazoka avokoa ny zava-drehetra, indrindra ny fandraisana fanapahan-kevitra. Misy ny manomboka mampiaka-peo, maneho ny fahasorenany. Miaka-pofona mihitsy amin’ny mbola tsy maha voavaha ny olana nitolomana. Asa, misy ireo miandry fahagagana haingana diso tafahoatra? Tsy voatery ho voavaly anatin’ny iray volana kosa ilay olana […]




