Hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe, ny 6 sy 7 ary ny 22 sy 23 desambra ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny « Kids Game One ». Fifaninanana basikety ho an’olon-telo, sokajy U8 sy U10 ary ho an’olona dimy, sokajy U12 izy ity. Ankoatra izay, hisy koa ny fiofanana ho […]
Auteur/autrice : Adnews
Baolina kitra any Algerie : Nisongadina i Lalaina
Nivoaka ho mpandresy ny Paradou AC, ekipa ilalaovan’i Lalaina, Malagasy mpilalao baolina kitra, nandritra ny andro faha-9 hiadina ny ho tompondakan’i Algerie, D1. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Mostaganem. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo, tao Paradou Stadium. Baolina tokana matin’i Mohamed Abdelkader, teo amin’ny minitra […]
Fanatanjahantena : Asa maro ny miandry ny minisitra vaovao
Mora ny mahazo ny seza fa sarotra ny mitazona azy. Andraikitra maro no miandry ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao, aorian’ny fanendrena azy. Raha tsy misy ny fiovana farany, hampahafantarina anio ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta vaovao tarihan’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Mbola baraingo amin’ny maro nefa ny anaran’ny […]
Jirama: Hihamafy ny fitokonana
Mitohy anio ny fitokonan’ny sendikàn’ny mpiasan’ny Jirama, izay mikendry ny fialan’ny tale jeneralin’ny orinasa, Ron Weiss. Miray hina manao ny tolona ny mpiasa manerana ny faritra. Araka izany, mikatona ny ankamaroan’ny masoivohon’ny Jirama. Mangataka ihany koa ny hanafoanana ny fampiharana ny sata vaovao izy ireo. Na izany aza, mbola hisy […]
CREM : Tokony hapetraka ny fanavaozana ara-toekarena
Mila apetraka ho loharanom-bola ho an’ny fanjakana ny harena an-kibon’ny tany, ho tombontsoan’ny vahoaka, hoy ny « Cercle de réflexions des économistes de Madagascar » (Crem). Fotoana izao hametrahana ny fahaleovantena ara-toekarena. “Tokony ho laharam-pahamehana hifototra amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiarovana ny tombontsoa ara-toekarena, ny fanovana apetraka eto amin’ny firenena”, […]




