Notanterahina, omaly teny Iavoloha ny fanendrena ny praiminisitra hitantana ny governemantana anatin’ny Fiadidiana ny fanovana ny Repoblikan’i Madagasikara. Rajaonarivelo Herintsalama no voatendry hisahana izany. Notanterahina omaly hariva, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fanendrena ny praiminisitra vaovao hitantana ny governemanta, anatin’ny Fanavaozana ny Repoblika an’i Madagasikara. Rajaonarivelo Herintsalama no nanankinan’ny filoham-panjakana, […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Zazavavy 7 taona namoy ny ainy vokatry ny haintrano tao Ambohitsilaozana, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly. Mpivarotra lasantsy ny reniben’io zaza io. Nandraraka lasantsy ilay ramatoa kinanjo nahazo afo tampoka. Nirehitra tanteraka ny trano ka maty ny zafikeliny. Hatry ny omaly, mbola voatsindr’ilay kamiaobe ny vatan’ireo olona telo voalaza ho namoy ny ainy, taorian’ny […]
Fahafatesana mampiahiahy: Mpitaom-biriky roa niara-namoy ny ainy
Mpifankatia niaraka namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Tsarafirasaina, kaominina Ambano, distrikan’ Antsirabe II, omaly. Niakatra tao ambonin’ny biriky vao hodoroana ireo olona roa ireo. Olona hiasa maraina no nahatsikaritra ny fisian’ny olona efa nitsirara tao ambonin’ny biriky. Nampandre ny manodidina avy hatrany io nanatri-maso io. Niantso koa ny tomponandraikitry […]
Zava-mahadomelina: Roa lahy nahatrarana rongony 14 kg
Nandositra tao anatin’ny haizina ireo roa lahy nitondra rongony tamin’ny gony rehefa nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambanin’ny Hopitaly, kaominina Tsaratanàna, faritra Betsiboka, ny 18 oktobra teo. Nitatitra ny entana tao anatin’ny gony ireo roa lahy. Nanararaotra ny alina izy ireo ka nihevitra tsy hisy hahatsikaritra. Nifanandrify tamin’io fikasan-dratsy […]
Ramatoa novonoina teny Vontovorona: Voasambotra ny lehilahy iray nahavanon-doza
Lehilahy iray 18 taona no nahavanon-doza namono nahafaty ilay renim-pianakaviana (72 taona) iray tetsy Ampivelezandrano, Vontovorona, ny 7 oktobra teo. Tsy namaly arahaba ny anton’ny famonoana. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanety II, Vontovorona, afakomaly, ny olona telo mianaka. Nahitana renim-pianakaviana iray (54 taona), mpamboly sy ny zanany […]




