Misitraka ny tetikasa “Wish 2” ny faritra Vakinankaratra sy Menabe, iarahana amin’ny Fisa Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana ho an’ny tanora. Nanaovana fakan-kevitra ireo tanora hahenoana ny hetahetany mahakasika ny fanatsarana ny resaka fananahana ara-pahasalamana. Tamin’izany no nahafantarana ny vina sy ny faniriany momba ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Centre Médical Kintana Ambatomena: Vehivavy 945 voaentana momba ny homamiadana
Efa amin’ny antsasa-dalana ny hetsika “Octobre rose” sahanin’ny Fondation Akbaraly, amin’ny fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, ho an’ny vehivavy. Mahatratra 945 ireo vehivavy voaentana momba ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza sy ny fitiliana teny amin’ny Centre Médical Kin-tana Ambatomena, araka ny fanazavana azo. Manantena […]
TARATRY ny KANTO
Nivoaka ny boky « Amboaran’angano 2 », nosoratan’i Arikaomsa Randria, ary noravahin’i Max Razafindrainibe tamin’ny sary. Ny Edition Jeunes Magaches no nanatontosa ny boky, izay mirakitra angano 5 ho an’ny ankizy. Efa misy angano fihaino koa miaraka aminy, amin’ny teny frantsay sy teny malagasy. « Mandrora mitsilany », « i Karenjy », « Ny zanak’i Vorombe », « Imaintsoanala […]
Misaona ny zavakanto : Nodimandry i L Saphira
Toy ny vara-datsaka ny vaovao… i Marghe no nampahalala voalohany fa nodimandry omaly i L Saphira. « Ianao no mpihiran’ny fianakaviana. Mihira ny hiranao foana aho tany Madagasikara. Raha vao fantatrao hoe te hanohy ny lalana nodiavinao aho, dia ianao no voalohany natoky ahy. Veloma Tatie… Na i Madagasikara aza mankafy […]
Fiarahamonina malagasy : Mila iainana indray ny « fanahy no olona »
Fomba amam-panao, finoana, lamina voajanahary… Manana ny iavahany ny fiarahamonina malagasy. Misy amin’ireny ny saro-takarina. Ao koa anefa ireo tsotra ny miaina azy, saingy, takon-javatra maro. Vanim-potoana mila hamerenana ireny izao. Voaresaka matetika ny « fanahy », saingy, miha vitsy ny Malagasy mahafantatra azy io. Ny sasany manafangaro ny « fanahy » amin-javatra hafa. […]




