Auteur/autrice : Adnews

Taorian’ny nandraisana fahefana : Tsy mbola manana sata ny tetezamita

Tsy mbola manana sata araka ny nivoizana azy hatramin’ny omaly ny fitondrana tetezamita. Ho laharam-pahame­han’ny fitondrana tarihin’ny Kly Randrianirina Michael kosa ny lafiny sosialy. Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Filankevi-pirenena ho an’ny fiarovana ny Tetezamita (CDNT), omaly, teny amin’ny Capsat. Nambarany tamin’ izany ny dingana manaraka, manoloana ny raharaham-pirenena. […]

StarTimes : Tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa

Maromaro ny tolotra vaovao omen’ny orinasa Star­Times ny mpanjifa. Ho hita ao anatin’ny zotram-pandaharana Gasy star, manomboka anio 16 oktobra, amin’ny 7 ora sy sasany hariva, ny « Gangs of Manila ». Horonan-tsary filipianina mihetsiketsika, ahitana ilay mpilalao malaza Coco Martin, amin’ny anarana hoe Cardo ao amin’ny horonan-tsary (série) Brothers. Mam­pangitangitaka sy […]

TARATRY ny KANTO

Hiverina amin’izay ny « cabaret ». Noho ny fanafoanana ny « couvre-feu », efa nampahafantatra fandaharam-potoana ireo trano filanonanana sasany. Anisan’izany ny Piment Café etsy Behoririka, izay handray ny tarika Jeneraly, ny zoma 17 oktobra izao, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hamerina indray ireo sanganasan’i Gaby, izay tsy mety lefy laza ry […]

Roa andro ihany : Raikitra ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem » 2025

Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no izy. Io no nanombohan’ny Havàtsa-Upem ny fampahafantarany ny fisian’ ny « Herinadron’ny Havàtsa-Upem » taona 2025. Ny talata 21 sy ny alarobia 22 oktobra no hanatanterahana izany ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena etsy Anosy. Ny talata, amin’ny 10 ora maraina, ny lanonam-panombohana. Ny alarobia 22 oktobra, […]

Fanja TDL : “Lainga avokoa ireny ezahina aparitaka ireny”

Avy hatrany dia namaly ny fanalam-baraka natao azy i Fanja, mpihira ao amin’ny tarika True Direction Life na TDL. Misy miezaka ny hanimba ny lazan’ity mpanakanto ity, amin’ny alalan’ny fanapariahana lainga… Nisesy mihitsy tato ho ato ny fanapariahana horonantsary mamoafady, lazaina fa ana olo-malaza. Lasibatra amin’izany ireo mpanakanto ary tsy […]