Misy rivodoza mananontanona ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Andalam-piforonana izany ary manome vahana ny fitombony ny hafanan’ny ranomasina. Tsy mbola misy fiantraikany amin’i Madagasikara ny faritra andro ratsy. Hitondra ny anarana Anais ity rivodoza ity rehefa mahafeno ny fepetra rehetra. Manohana ara-tsaina ireo mpamonjy voina ny Croix Rouge Malagasy. Fifanakalozan-kevitra an-kalalahana […]
Auteur/autrice : Adnews
Taorian’ny korontana : Niverina amin’ny fiainana andavanandro ny rehetra
Vao maraina, nitohana ny fifamoivoizana teto an-dRenivohitra fa namonjy ny asa aman-draharaha ny mponina, toy izany koa ny mpianatra. Nisokatra avokoa ny toeram-pivarotana samihafa teny afovoan-tanàna sy ny manodidina. Niverina amin’ny fiainana andavanandro indray ny vahoaka taorian’ny toromariky ny filoham-panjakana fa tokony hiasa sy hianatra amin’izay ny rehetra. Ho an’ny […]
Famahana ny krizy: Hihaona ny FFKM sy ny Capsat
Mandeha miandalana ny fakan-kevitra « Ady gasy ». Ao anatin’ny fikaroham-bahaolana ny eo anivon’ny FFKM. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiverina hihaona amin’ireo miaramila, mitantana ny firenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Efa nisy ny fihaonana teo aloha, teo amin’ ny andaniny sy ny ankilany, ary izao hifampiresaka izao indray. Anisan’ny efa noraisin’ny FFKM […]
Fikaroham-bahaolana: Ho avy, hiditra an-tsehatra ny Sadc
Namoaka fanambarana, omaly, ny filohan’ny Repoblikan’i Malawi, sady filohan’ny vaomiera misahana ny politika sy ny fiarovana ary ny iaraha-miasa momba ny filaminana, ny Pr Arthur Peter Mutharika. « Handefa iraka maika ny Sadc Panel of Elders hanao tombana sy hijery ny hanatanterahana ny fifampiresahana manoloana ny toe-draharaha », hoy izy. Niantso ny […]
Antenimierampirenena : Naongan’ny depiote ny birao maharitra
Mandeha hatrany ny fanonganana. Nitohy omaly ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena, eny Tsimbazaza. Anisan’ny nirosoan’izy ireo ny fandravana ny birao maharitra eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Nanaovana latsa-bato izany ka nisafidy ny eny, hanonganana ireo mpikamban’ny birao maharitra ireo depiote miisa 127 tamin’ireo 133. Nifidy ny tsia, tsy mankasitraka […]




