Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Mikatona tanteraka ny fotoam-panjonoana an-dranomamy any amin’ny faritra Fitovinany, nanomboka omaly 15 oktobra 2025 hatramin’ny 30 novambra. Azo atao kosa ny manjono eny amoron-drano, saingy tsy azo atao ny mivarotra ny trondro azo. Mahazo manjono kosa ireo mpiompy trondro anaty dobo, saingy, mila fahazoan-dalana hivarotra sy mihinana. Hatao ny 24, […]

Madagascar Airlines: Nametra-pialana ny tale jeneraly

Araka ny vaovao farany, nametra-pialana ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, omaly hariva. Tsiahivina fa ny maraina no nangataka ny fametraham-pialany ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny orinasa Madagascar Airlines, tetsy Ivato. Omaly maraina, nangataka ny fialan’ny tale jeneralin’ny zotram-piaramanidina Madagascar Airlines, i Thierry de Bailleul, ny mpiasa. Nilaza moa izy ireo […]

Manomboka sahady

  Manahirana ny zava-miseho eto amin’ny tany sy ny firenena, ankehitriny. Raha noheverina fa hamaha olana ilay fahazoana filoham-panjakana vaovao dia nivadika ho zavatra hafa tanteraka aloha hatreto. Rafitra tsy misy fototra, fitondrana miorina sahady anatin’ny zavatra tsy dia milamina loatra. Mitady hitohy ny fanjakan’ny Baroa. Ny te hiasa miasa, […]

GovTech : Havaozina amin’ny niomerika ny fitantanam-bola

Fihaonana iraisam-pirenena karakarain’ny FMI ny New Economy Forum. Lohahevitra amin’ity andiany ity ny hoe, « GovTech, manavao ny fomba fiasan’ny fitantanam-bola amin’ny alalan’ny niomerika ». Tafiditra ao anatin’ny fi­haonana isan-taona iarahan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim­bola iraisam-pirenena (FMI) ary ny firenena mpikambana ao anatiny, ny New Economy Forum. Hotontosaina ny zoma 17 […]

TSELATRA

Notsenain’ireo miaramila avy eo anivon’ny Capsat teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Kly Charles Andrianasoavina, omaly. Nanao sesitany ny tenany tao amin’ny Nosy La Réunion ity Malagasy manamboninahitra ity taorian’ny sakoroka ny taona 2009. Lehilahy tomponandraikitra amina kioska karohin’ny mpitandro filaminana, afakomaly. Nentin’io lehilahy io nandositra ny lelavola 80 000 000 fmg tao […]