Auteur/autrice : Adnews

Orinasa QMM: Hita maso ny tetikasam- pampandrosoana any Taolagnaro

Manana vina hitantanana maharitra ny harena ambanin’ny tany ny orinasa QMM any Taolagnaro. Ao anatiny ny lafiny angovo, ny famatsiana rano fisotro, ny seranan’i Eho­ala, ny asa sosialy, sns. Ankoatra ny angovo ilainy amin’ny asam-pihariana ataony, mamatsy herinaratra ny Jirama ao Tao­lagnaro ihany koa ny orinasa QMM, amin’ny alalan’ny toby […]

TSELATRA

Zazalahy telo taona namoy ny ainy rehefa latsaka tao anatin’ny dobo, teny amin’ny kaominina Tanjombato, afakomaly, tamin’ny 3 ora tolakandro. Lavaka biriky niandronan’ny rano io lasa dobo io ka nahafaty ilay zaza. Ankizy roa lahy hamonjy fianarana any amin’ny CEG Ambolotara, distrikan’i Fandriana, hifampitadiavan’ny fianakaviany, nanomboka omaly. Hitan’ny olona teny […]

Hafanana sy fifampikasohan’ny herinaratra: Tokantrano 15 isa traboina vokatry ny haintrano

Nitrangana haintrano tao amin’ny kartie Antaninarenina, Fort-Dauphin, afakomaly, ta­min’ny 2 ora sy sasany hariva. Trano miisa enina no kila forehitra, nahitana tokantrano 15 isa. Mahatratra 92 ny isan’ny traboina, izay mpianatra ny 15 amin’izany. Niara-nientana namono ny afo ny mponina tany an-toerana. Naharitra ora maro vao voafehy izany. Vo­kany, lasa […]

Vono olona : Mpiambina hita faty tapa-doha

Nentin’ny tsy mataho-tody ny lohan’ny lehilahy mpiambina anatin’ny tanàna iray tao Vodifosa, distrikan’i Farafangana, afakomaly alina. Ny marain’ny alatsinainy, hitan’ny fokono­lona nitsirara teo an-tanimboly ny vatan-dehilahy iray. Tsy nisy loha intsony io olona io, saingy tsy vaovao ho azy ireo ny firafitry ny vatany sy ny akanjo teny an-koditr’io lasibatra […]

By-Pass : Mpitondra moto namoy ny ainy

Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray tra-doza teny By-Pass, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy sasany. Nifandona tamin’ny fiara nifanoha-dalana taminy izy ka nipitika avy eny ambony moto. Nitondra ireny karazana moto matanjaka sady lehibe antsoin’ny tanora “gros cylindre” ireny io lehilahy io. Nandeha mafy izy, araka ny fitantaran’ny […]