Auteur/autrice : Adnews

« MeinOrt » – CGM Analakely: Ho sehatra hampitain-davitra

Noho izy ao Analakely, akaiky ny toerana misy ny fi­hetsiketsehana amin’izao fotoana izao, ny CGM/GZ. Toy ireo ivokolo rehetra, voatery nanatsahatra ireo hetsika isan-karazany efa voahomana ihany koa izy ireo. Na izany aza, nahita hevitra ny hamerina indray ny tetikasa «Mein­Ort » ny mpikarakara hetsika ao amin’io ivontoerana io, mba hanohizana […]

AFT Andavamamba : Hasongadina ireo boky mampatahotra

Be mpankafy ireo boky anatin’ny sokajy mampatahotra. Manana hetsika manokana ho an’izany rahateo ny AFT Andavamamba. Hampiakarana ny fitiavana ny vakiboky ny tanjona amin’ny ankapobeny. «Thriller ». Hanasoka­jiana ireo tantara mampatahotra, na amin’ny endriny boky, tantara fihaino na sarimihetsika izany. Nanokana hetsika manokana ho an’ireo boky mampatahotra ny AFT Andavamamba. Nahi­tam-pahombiazana […]

INDRAY MIJERY

Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Tombanana hahatratra 55 km isan’ora izany. Manom­boka anio vao maraina ny eo anelanelan’i Itampolo sy Taolagnaro ary Vohemar sy ny tanjona Bobaomby. Nahazo fampitandremana miloko mavo ao Itampolo hatrany Taolagnaro, Tanjona Bobaomby hatrany Vohemar. Entanina ny rehetra […]

Olan’ny firenena : Mitaky ny fandraisan’­ anjaran’ny vehivavy

Manao antso avo ireo vehivavy malagasy mpitarika ho amin’ ny fandriampahalemana, fanelanelanana ary ny fandraisan’ anjara ny rehetra amin’ny fitantanana. Manolotra soso-kevitra amin’ny fanokafana sehatra ifampiresahana izay iraisan’ny hery politika, ny fiarahamonim-pire­nena sy ny tanora ary ny antokom-pivavahana ireo vehivavy mpandraharaha. Ireo vehivavy manana traikefa amin’ny fanelanelanana dia vonona ny […]