Auteur/autrice : Adnews

Africa Cup 3×3 : Ekipa 24 hifaninana eto Madagasikara

Handray ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 5 hatramin’ny 7 desambra izao. Ekipa 14 eo amin’ny sokajy lehilahy sy ekipa 10 eo amin’ny vehivavy no voasoratra anarana ao anatin’ny fandaharam-potoana, ao amin’ny Fiba. Ho avy eto Madagasikara avokoa ireo ekipa afrikanina ireo, raha […]

Fifanintsanana “Mondial 2026”: Kihon-dalana ho an’ny Barea ny lalao amin’i Comores sy i Mali

Sakana roa lehibe no miandry ny Barea, vao misokatra ho azy ireo ny «Mondial 2026». Miandrandra vokatra tsara amin’ireo lalao roa hifanandrinana amin’i Comores, sy i Mali, ny Malagasy. Afaka dimy andro, hianoka lalao baolina kitra indray ny Malagasy mpankafy. Ny 8 oktobra ho avy io, any Côte d’Ivoire, hifandona […]

INDRAY MIJERY

Efa manomboka misokatra ireo tranombarotra lehibe sisa tsy voaroba, miezaka manome fahafaham-po ireo mpanjifa ao aminy. Ireo tranombarotra simba vokatry ny fanafihana sy fandrobana kosa dia mbola tsy maintsy mikatona ary miezaka mamerina azy ireny amin’ny laonininy ny tompony. Maro ireo caddies sy harona fiantsenana very teny amin’ireo tranombarotra voaroba. […]

Sekoly tsy miankina : Mianatra tapakandro ny kilasy manomana fanadinana

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, tao anatin’ny herinandro, niezaka nihaona tamin’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny mpitantana ny Vovonan’ny fiombonamben’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara fa tsy mbola tanteraka. Tsy maintsy nandroso vahaolana anefa izy ireo momba ny fizotry ny fampianarana amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny. Fepetra noraisina, […]

Ho fiarovana ny eny amin’ny fokontany : Niverina ny andrimasom-pokonolona

Ho fiarovana ny tanàna onenana sy ny mponina rehetra ao aminy, niverina indray ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona isaky ny kartie eto Antananarivo sy ny manodidina taorian’ny trangana fandrobana ny alin’ny alakamisy 25 septambra lasa teo. Tara-kevitra avy amin’ny mpiray fokontany no nananganana ireo kaomity hisahana ny fandriampahalemana. Nisy ny fivoriambe […]