Auteur/autrice : Adnews

Fiainana andavanandro : Manodidina ny 30 000 Ariary ny kilaon’ny savoka

Anisan’ireo singa iray ahafahana mampangirana zavatra ny savoka, ary betsaka amin’ny Mala­gasy no mampiasa izany hanadiovana trano. Efa mahatratra 30 000 Ariary ny kilaon’izy ireny eny an-tsena. Ny savoka. Akora iray manana toetra manokana, malefaka sy mora miempo rehefa misy hafanana ny savoka ary mivaingana rehefa mangatsiaka. Araka ny fanadihadiana […]

Ankadifotsy : Efitra roa niaraka tamin’ny entana kilan’ny afo

Trano iray misy rihana no nirehitra tetsy Ankadifotsy Befelatanana akaikin’ny “Gas­com”, omaly atoandro tamin’ny 12 ora latsaka dimy. May kilan’ny afo tanteraka, tamin’ izany, ny efitrano roa tany amin’ny rihana voalohany. Le­von’ny afo tao ihany koa ireo entana rehetra. Niainga tao amin’ny efitra iray tao amin’ny rihana ambony ny afo, […]

Volley-Mada 1D : Hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Volley-ball, ho an’ny sokajy “1ère division” lahy sy vavy. Ekipa 4 isaky ny vondrona manana isa ambony indrindra no hifandona mandritra ity ampahefa-dalana ity. Raha hiverenana ny voka-dalao omaly, lalao anisan’ny nandrasana ny teo […]

Filoha Rajoelina tao amin’ny ONU: « Tsy mitondra fitoniana ny fifandonana »

Niakatra teo amin’ny pilopitran’ny Firenena mikambana (ONU) any New York ny filoha Rajoelina Andry, nandaha-teny, aninkeheo tamin’ny 2 ora maraina. Nambarany tamin’izany ny antso avo sy ny fametrahana filaminana maneran-tany. «Tsy vahaolana ny fizarazarana ary tsy mitondra fitoniana ny fifandonana », hoy ny filoha Rajoelina Andry. Lahateniny mavesa-danja manoloana ireo filoham-panjakana […]

INDRAY MIJERY

Feno fanahiana ny mpianatra sy ny mpiasa manodidina an’Analakely noho ny fisian’ny fitakiana ho ataon’ny olona tofoka amin’ny delestazy eny an-toerana, anio. Hatramin’ny ora farany omaly, tsy nilaza ny tomponandraikitry ny sekolim-panjakana ny amin’ny fampitsaharana ny fampianarana. Ny sekoly tsy miankina kosa dia efa nanafatra ny mpianany tsy hianatra aloha. […]