Tena zava-doza, mitohy mandrakizao ny maty vokatry ny fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo. Niampy iray ny teny Ambohimalaza, nisy roa teny Ampitatafika. Tsy mbola fantatra mazava ny toe-javamisy marina, manodidina ireo. Ilay afera nalazabe iny aza nivadika ho tantara indray miseho. Nangina ary mety hangina mandrakizay. Ny maty aleo mba […]
Auteur/autrice : Adnews
Fifidianana loholona : “Maro ny ambana ka hanitsiana ny lalàm-pifidianana”
Nanao tatitra ny atrikasa tombana natao tany Mahajanga, teny Alarobia, ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Voaresaka koa ny fakan-kevitra amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana. “Misy hatrany ny ambana amin’ny zotram-pifidianana. Ny tombana natao no nahitana an’izay ambana izay. Nefa tsy mijanona tamin’ny atrikasa tany Mahajanga ny asa. Hodinihin’ny eo anivon’ny sekretaria […]
TSELATRA
Tafakatra 35 ireo maty tamin’ny raharaha fahapoizinana niseho teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Tovovavy 20 taona antsoina hoe: Deborah indray no namoy ny ainy, omaly maraina. Efa nandroso fahasalamana izy taorian’ny fitsaboana natao taminy. Saingy niha sempotra sy niha mafy indray izany taty aoriana ka tsy maintsy naiditra […]
Tsenan’Anosibe : Lehilahy roa tratra nandroba mpivarotra
Voasambotry ny mpiambina sy ny fokonolona tetsy amin’ny Tsenan’Anosibe, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro, ny jiolahy roa. Nanafika toeram-pivarotana iray teny an-toerana ny lehilahy telo tsy nisaron-tava sy nirongo basy. Nambanan’izy ireo tamin’ny basy ilay mpivarotra ary nitaky ny vola rehetra tao amin’io fivarotana io izy ireo. Niantso vonjy sy […]
Fikasana hangala-bary : Namono tena tamin’ ny poizim-boalavo ilay mpiambina
Maty namono tena tamin’ny poizim-boalavo, ny talata lasa teo, ny lehilahy iray 23 taona. Mpiambina trano fitehirizam-bokatra iray eny Fonenana, kaominina Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo izy io. Nikasa hangalatra vary akotry tao amin’io toerana nandrasany io izy. Efa nitondra fiara hitaterana ireo vokatra saingy nampandre ny tomponandraikitra ny mpamilin’ny fiara. Naharay antso […]




