Auteur/autrice : Adnews

Voninahi-pirenena

  Hatramin’ny fotoana farany, niady mafy ho fiarovana ny voninahi-pirenena ny ekipa malagasy amin’ny baolina kitra, tamin’iny Chan 2024 iny. Tsy nitsanga-menatra. Vidin-kaja, vidim-boninahitra. Tsy vitan’izay, nampiombom-po sy nampiray hina ny Malagasy ny baolina kitra rehefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ireny. Ny voninahi-pirenena no iadiana sy arovana. Izay koa […]

Fanagadrana mpiara-miasa : Naneho ny alahelony ireo mpandraharahan’ny fonja

Naneho ny alahelony ka manao antso avo amin’ny filoha sy ny praiminisitra ary ny minisitry ny Fitsarana ireo mpandraharahan’ny fonja. Notanisain’izy ireo tamin’izany ny momba ireo mpiara-miasa aminy. «Maro ireo namanay voatazona am-ponja amin’ny tsy rariny. Ao ireo enjehin’ny Pac  ka anisan’izany ny ao Mahajanga », hoy ny fanambaran’izy ireo ny […]

TSELATRA

Lehilahy 62 taona vao nahalafo trano hita faty tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Feramanga Avaratra, omaly maraina. Nifamaly tamin’ny vadiny tao Amparafaravola rangahy ka nentiny ny vola sasany vidin’ny trano ary izao hita faty izao. Zaza vao teraka 2 herinandro maty, ahina ho novonoin-dreniny tao Ianakonitra, kaominin’Andevoran­to, distrikan’i Brickaville, afakomaly. […]

Toamasina : Mpangalatra resin-tory teo am-baravarana

Vaky ny trano iray tao amin’ny fokontany Analankininina Hopitaly Be, kaominina Toa­masina, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 28 aogositra teo, saingy resin-tory teo am-baravarana niaraka tamin’ny findain’ny tompon-trano ilay jiolahy. Taitra tampoka ny rangahy tompon-trano, tokony ho ta­min’ny misasakalina. Talanjona izy fa efa misokatra ny varavaram-be ary misy olona […]

Ambohipo : Roa lahy voasambotra

Voasambotry ny polisim-pirenena omaly maraina, teny Ambohipo, ny lehilahy roa mpanao hala-boty. Nifanehitra tamin’ny lehilahy anankiroa izay mirongo entana tamin’ny gony ny polisy. Nampiahiahy ny fihetsik’ireto roa lahy ka nosavaina. Nahitana entana halatra maro samihafa, toy ny kojakojana an-tokantrano, kiraro sy ny maro hafa, teny amin’izy ireo. Fantatra fa vao […]