Ho fitsinjarana ny rano manondraka ny lemak’Antananarivo amin’ny voly vary, naroso ny famohana ny vavarano tamin’ity taom-pambolena ity, izay dinika efa niarahana tamin’ireo tantsaha. Manara-maso ny fitantanana ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo sy ny manodidina ny Apipa. Tsy amin’ny tondradrano ihany izany fa amin’ny fitantanana ny rano eny amin’ireo tohodrano […]
Auteur/autrice : Adnews
Fikambanana Silamo Malagasy : Hanamarika ny faha-51 taona niorenany
Noho ny fitahian’i Allah Soub’hana Wa Ta’Anla, feno 51 taona ny Fikambanana Silamo Malagasy. Hanamarika izany vanim-potoana manan-tantara izany izy ireo ny 2-3 septambra 2025, ao amin’ny Centre de formation eny Maibahoaka Ivato. Noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 namela takaitra maro teo amin’ny fiainan’ny Malagasy dia izao vao atao izany […]
ENS Toamasina : Nosoniavin’ny filohan’ny oniversite ny mari-pahaizana Master
Mpianatra teo anivon’ny Ecole normale supérieure (ENS) Toamasina miisa 138 nahavita fanohanan-kevitra hahazoana ny mari-pahaizana Master. Mention anglais, française, Histo-géo (mpianatra 30); Mention malagasy, mathématiques, Informatique, philosophie miisa 15; Mention physiques chimie, sciences de l’éducation mahatratra 60 ary Mention sciences économiques et sociales no mandrafitra ny ENS Toamasina amin’izao fotoana […]
Minisitra Sahondrarimalala: « Manana fijery lavitra ny filoha »
« Manana fijery lavitra ny filoha Rajoelina Andry ka tsy takatry ny olona sasany », hoy ny minisitra sady birao politikan’ny TGV, Sahondrarimalala Marie Michelle, tany Fianarantsoa, tamin’ity herinandro ity. Notanisainy tamin’izany fa maherin’ny 8 000 ny isan’ireo sekoly vitan’ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona. Masina ny fanabeazana […]
Filohan’ny Antenimierandoholona: « Aoka atsahatra ny adilahy politika »
Nitsidika ireo mpitondra sy manampahefana ao Nosy Be ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, omaly. Nisy ny dinidinika sy fifampizarana tamin’izany. « Efa vita ny fififidianana ka aoka atsahatra ny adilahy politika. Tokony himasoan’ny rehetra ny fampandrosoana ny tanàna », hoy izy. Nampahafantarina tamin’izany ny torolalana iadiana amin’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna na avy […]




