Hatao eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, Ankatso, ny 1 hatramin’ny 5 septambra ho avy izao, ny “Salon de l’Agronomie 2025”. Mandray an-tanana ny hetsika ny École supérieure des sciences agronomiques (ESSA), izay mikendry ny hampiroboroboana ny fambolena maharitra sy ny fananganana rafitra ara-tsakafo mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro, ara-toekarena ary ara-tsosialy. « Fambolena […]
Auteur/autrice : Adnews
Maka lesona!
Afakampitso no hiakatra kianja indray ny Barean’i Madagasikara. Mbola mamerovero sy tsy mety lefy ny hafalian’ny mpiray tanindrazana. Mipololotra avy ao anaty ny fahasambaran’ny vahoaka 30 tapitrisa manerana ny Nosy. Na inona na inona satam-piarahamonina, na manao ahoana na ahoana ny fari-piainana dia Barea ihany no resaka. Ankoatra ny voka-dalao […]
Madagascar Airlines : Manohy ny asany ny tale jeneraly, i Thierry de Bailleul
Araka ny vaovao hita omaly, avy eo anivon’ny orinasa Madagascar Airlines, nohavaozina ny fe-potoana hiasan’ny tale jeneraln’ity orinasa ity. Mitohy ny sidina! Tohizana ny asa! Nanamafy i Madagascar Airlines, omaly, tao anaty taratasy ofisialy, fa mbola manohy ny asa maha tale jeneraly azy eo anivon’ity orinasa misehatra amin’ny zotram-piaramanidina malagasy […]
TSELATRA
Ilan-tanan’olona havia hitan’ny zandarimaria teny amin’ny moron-dranomasina Antalaha, ny alatsinainy 25 aogositra teo. Lehilahy no tompon’io tanàna io, araka ny fizahan’ny tomponandraikitra. Tovolahy nanolana ankizivavy 11 taona nosamborin’ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Ambanitsena, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly. Nipetraka tao amin’ny rahavavin-dreniny io ankizivavy io. Mpanampy tao an-trano no nahavanon-doza. Polisy miisa […]
Hain-trano : Tokantrano 26 may kilan’ny afo tetsy Anosibe
Tokantrano 26 may kilan’ny afo tetsy Anosibe Mandrangobato I, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. 12 ireo tranohazo ary fito ny tranobiriky lasibatry ny afo. Mahatratra 90 ireo olona niharam-boina. Niainga tao amin’ny tranohazo iray ny afo. “Nandeha nivoaka tany ivelan’ny trano avokoa ny olon-drehetra tamin’ny fotoana nandresen’ny ekipa Barea afakomaly […]




