Tsy ny tanàna ihany no niova, fa tsapa tao anatin’ny fotoana lavalava izay fa mandry sy milamindamina ny tanàna. Nahatsapana izany ny eto an-dRenivohitra, izay latsaka ny tahan’ny fandikan-dalàna miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera sy ny avy amin’ny loharanom-baovao ofisialy. Manahirana ny mitady vaovaon’ny trangam-piarahamonina ho an’ny mpanjifa. Misy fiantraikany lehibe […]
Auteur/autrice : Adnews
Tetikasa Fly over Anosizato sy Makis: Mahatratra 83,2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Badea
Mpamatsy vola goavana amin’ny fanamboaran-dalana eto amintsika ny banky Badea. Anisan’izany ny tetikasa hanamboarana ny Fly Over Anosizato sy ny Fly Over Makis. Ankoatra ny fanotronana ny Fihaonamben’ny Sadc, eto amintsika ny filohan’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana (Badea), Abdullah Almisaibeeh. Miisa efatra ny tetikasa goavana vatsiany ara-bola. Voakasik’izany ny […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana iray hita faty tao amin’ny tetezana Amboasary, fokontany Tsinjony, kaominina Behenjy, distrikan’Ambatolampy, omaly. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy. Noraisin’ny tomponandraikitra an-tanana ny fikarakarana ny razana. Nitondra ny teny fankasitrahana ny ekipan’ny polisim-pirenena noho ny fahatanterahan’ny fivoariamben’ny Sadc tamim-pilaminana, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Controleur général de police, […]
Fakana an-keriny zaza varira : Olona valo naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambony, any Mananjary, afakomaly, ireo olona valo voarohirohy ao anatin’ny tambajotra mpaka an-keriny zaza varira. Vokany, naiditra vonjimaika am-ponja avokoa izy rehetra, taorian’izay. Voasambotra ny 16 aogositra 2025 lasa teo, tany Ambalahosy Avaratra, distrikan’i Mananjary, ny olon-dratsy miisa enina, raha toa ka efa voasambotra sy […]
Tsy nahaloa vidin-tsakafo: Voasambotra ilay teratany frantsay
Tratra ihany rehefa niafina nandritra ny andro vitsivitsy ny lehilahy teratany frantsay 42 taona. Nanjifa tamin’ny toeram-pisakafoana iray tao Toamasina izy, ny 14 aogositra lasa teo. Nitsoaka avy hatrany avy eo satria tsy nahaloa ny vidin-tsakafo nohaniny. Hitan’ny mpaka fasika teo ambany tetezana Analamalotra, kaominin’Antetezambaro, Toamasina II, izy io ny […]




