Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina anio, eny amin’ny PK0 Ambo­di­fa­sina, ny lanonam-panokafana ny ampahany voalohany (Ambodifasina-Ambohimanga) amin’ny arabe mi­godana, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Hitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, hotronin’ ireo mpitondra fanjakana mpikambana ao anatin’ny vondrona Sadc. Mitentina 97 tapitrisa dolara ny renivolan’ny Tahirimbola Decim, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tetikasa entina hanafainganana […]

Startimes: Omena lanja ny angovo madio

Mitodika any amin’ny fampiasana angovo madio ny orinasa Startimes. Manana tolotra ho an’ny mpanjifa, angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro matanjaka ny orinasa. Fitaovana miaraka H50, ahitana bateria manana tanjaka 5 kiloampères, takelaka misintona ny herin’ny masoandro mi­isa efatra manana tanjaka 550W, ary vata mpanova he­­­ri­naratra 5 kW. Nambaran’ny tomponandraikitry […]

Filoha Rajoelina: Hamafisina ny fiaraha-midinika sy fiaraha-miasa

Navoitran’ny filoha Rajoelina Andry ny hanamafisana ny indostria sy ny fanovana ny rafi-pamokarana ary ny angovo. Miainga eto Madagasikara izany, arahin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona Sadc. «Hampifandraisin’ny lanitra ny kaontinanta afrikanina. Manome sakafo antsika ny tany, ary mampifandray antsika ny ranomasina. Ireo no na­hatonga ny lohahevitra hifantohako mandritra ny fe-po­toam-piasana […]

Fisokafan’ny teleferika : Nihoatra ny 5 000 ireo mpandeha ny sabotsy teo

Fotoana nisokafan’ny teleferika ho an’ny daholobe ny asabotsy teo. Nihoatra ny 5 000 sahady ireo olona nitaingina izany, tamin’io andro voalohany io. Vao maraim-be, ny sabotsy sy alahady, efa lavabe ny filaharana teny Anosy fa handeha teleferika. Nahitana sokajin-taona rehetra ireo liana tamin’ity zava-baovao ity. Na ankizy, na tanora, na […]

INDRAY MIJERY

Mivoaka tsikelikely ny voka-panadinana bakalorea any amin’ny faritra. Efa nivaly izany ho an’ny ao Fianarantsoa. Toraka izany koa ny any Antsiranana. Tsy nisy mpiadina afaka mihitsy na dia iray aza ho an’ny sokajy C tao Antsiranana. Miandry fatratra ny voka-panadinana kosa ny eto Antananarivo. Olona 446 no tonga nanao fizaham-pahasalamana […]