Notanterahina teny amin’ny moske foiben-toeran’ny fikambanan’ny miozolomanina Ahmadiyya de Madagascar, eny Andavamamba Anatihazo, omaly, ny fetin’ny fakan-tahaka “Eid Al Adha”. Sorona nataon’i Abrahama, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hita ao amin’ny Coran. Araka ny fanazavan’ny misionera Ahmed Mujeeb, isan-taona ny fahatsiarovana ny fetin’ny fakan-tahaka ny nataon’i Abrahama izay nanaiky hanao […]
Auteur/autrice : Adnews
Fahasalamana: Nodinihina ny sata hifehy ny AC
Taorian’ny fihaonana maneran-tany momba ny fahasalamana natao tany Genève, nanatanteraka atrikasa nandinihina ny ny sata mifehy ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony (AC) ny fanjakana, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hijerena ny fanatsarana ny sehatrasa sy ny fari-piainan’ireny mpanentana ireny. Miasa an-tsitrapo hatramin’izay ireo mpanentana ara-pahasalamana. Omena fiofanana fototra amin’ny fikarakarana […]
Mpivarotra amoron-dalana : Nampidirina ao amin’ny Tsena Fihavanana
Mitohy ny fanadiovana ny toerana ampiasain’ny mpivarotra eny amin’ny lalana Petite Vitesse, afakomaly. Ankilany, mbola misy tsy manaiky ny ampahany amin’izy ireo. Vao maraina, manao ny asany ireo mpitandro filaminana, ahitana ny ekipa avy ao amin’ny polisim-pirenena sy ny polisy monisipaly manala ireo mpivarotra mbola nivarotra teny amin’ny sisin-dalana. Tsy […]
VAOVAO TAMBATRA
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivarotana lavanila maitso ho an’ny faritra Diana. Tanjona ny samy hahazoan’ny rehetra tombony. Nanentana ny hanajana ny kalitaon’ny vokatra ihany koa ny “Alliance régionale pour la vanille” mba hiantohana ny fanondranana sy hampidi-bola ho an’ny mpisehatra. Hamaritra ny vidin’ny lavanila kosa ny lalàn’ny tolotra sy […]
Ady amin’ny RAM : 5 400 ny matin’ny mikraoba anaty sakafo
Atao ny 26 sy 28 mey, eto Antananarivo, ny atrikasa hanamafisana ny ady amin’ny tohitry ny mikraoba amin’ny fanafody (Ram). Mikarakara azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), miaraka amin’ny minisitera samihafa voakasika (ny Fiompiana, Fambolena, Fampianarana ambony, Fahasalamana,…), ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (FAO, OMS, […]




