Nomontsanin’ny Kenyanina tamin’ny isa mavesatra ny Makis Ladies, nandritra ny andro faharoa, niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), sokajy «Performance Division». Faharesena faharoa, ary tsy mbola afa-bela tamin’ i Kenya indray ny tovovavy malagasy. Tsy mbola nihiratra ho an’ny Makis Ladies ny masoandro eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanalam-baraka tamin’ny facebook : Nametraka fitoriana ireo olona voakasika
Nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana ilay mpampiasa sy ilay vehivavy mpiasa nahatsiaro tena ho nalana baraka tamin’ny alalan’ny fanapariahana vaovao tsy marina, ny alatsinain’ny Pantekoty teo. Nitsangantsangana teny ankalamanjana, nitondra sakafo, ilay ramatoa sy ny fianakaviany ary ilay mpanampy ao an-trano. «Efa avy nisakafo tamin’ny toeran-kafa izahay ary nisy […]
Oniversiten’Antananarivo: Tsy maintsy anaovana ny badge
Ialana amin’ny gaboraraka, noraisina ny fepetra fivezivezena eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nivoaka ny naoty laharana 06/26/UA/PR/CR mampahafantatra fa araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny oniversite (CSU) dia ampiharina eo anivon’ny faritry ny Oniversite, manomboka ny 1 jona, ny fitondrana karatra famantarana manokana. Voakasik’izany ny mpianatra, ny mpandraharaha ary […]
Fiainam-pikambanana ! Hampandroso an’i Vohemar ny Fizaih
Nifamotoana teny Andohan’i Mandroseza, ny Fikambanan’ny zanak’Iharanan (Fizaih), Vohemar, ny alatsinain’ny Pantekoty teo. Efa fanaon’izy ireo isak’io fotoana io izany fihaonambe izany. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana, i Tohizara Gentiano Paul, tamin’izany, fa tanjona ny hijerena ny fampandrosoana ny faritra nihaviana, any Vohemar. Fotoana koa io ifankahitan’ireo zanaka am-pielezan’iny faritra iny sy […]
INDRAY MIJERY
Manome lanja ny fanabeazana ny tanora ho tia sy hiaro ny tontolo iainana ary ho olom-pirenena tomponandraikitra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Manampy amin’ny fanamafisana ny “chantier école” sy ny fanabeazana miompana amin’ny asa sy ny tontolo iainana ny hetsika. Nifanome tanana ireo fitaleavana samihafa eo anivon’ […]




