Auteur/autrice : Adnews

Fampiasana ny angovo madio : Vonona hanohy ny asany ny Marea

Nanamafy ny fahavononany hampiroborobo ny fampiasana angovo madio sy azo havaozina eto Madagasikara, tanjona iray apetraky ny fan­jakana ho an’ny taona 2030, ny Madagascar Renewable Energy Association (Marea). Nivoitra izany nandritra ny fivoriambe voalohany nataon’ny mpikambana ny 28 mey teo. Fotoana nampahafantarana ny rehetra ny filoha vaovao, Rémy Huber, hitantanana […]

Samy be kajikajy

  Tsy hita izay holazaina manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Ohatra ny misy kajikajy politika tsy mandeha amin’ny laoniny izany eto an-tanàna. Tsy hay hoe iza no manao inona, iza no miketrika inona. Misy tranga foronina sy hambolena resabe foana isan’andro izao. Toa kisarisarim-piarahamonina milamina, fa miloloha vainafo […]

« SIAE andiany fahefatra »: Tombony ho an’ny fifanakalozana ara-barotra

Soa fanararaotra hampivoarana ny fandraharahana sy hitadiavana lalam-barotra any ivelany ny SIAE andiany fahefatra. Kendrena manokana ny hampiroboroboana ny fifanakalozana ho an’ny hoavy mamiratra ara-toekarena eto Madagasikara. Maro ny tombontsoa ara-toekarena azo mandritra ny Ranty iraisam-pirenenan’ireo mpisehatra ara-toekarena «Salon International des acteurs économiques» (SIAE) andiany fahefatra, atao eny amin’ny Kianja […]

TSELATRA

Mpifindra monina an-tsokosoko miisa 51 saron’ny polisim-pirenena tany Hajangona, kaominin’i Dembéni, Mayotte, ny alatsinainy 2 mey teo. Malagasy ny 50 tamin’ireo tratra raha toa ka Kongolais ny iray. Hampodiana eto an-tanindrazana avokoa ireo Malagasy nitsoa-ponenana ireo. Olona 11 voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP5 Mahamasina ny 2 jiona lasa teo […]

Ankadindramamy : Taxi-be 147 sy taxi nifampitrongy

Potika tanteraka ny lohan’ny taxi iray nifandona tamin’ny taxi-be 147 tetsy Ankadindramamy akaikin’ny tobin-dasantsy, omaly maraina. Nikasa hidina avy any amin’ny lalana mizotra mankany Mahazo ilay fiara kely. Nivoaka avy amin’ny toerana misy ny tobin-tsolika ilay taxi-be, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsy nifandefitra ny mpamily roa tonta. Nifandona avy hatrany […]