Auteur/autrice : Adnews

New York : Manohana an’i Madagasikara amin’ny lalan’ny Fanavaozana ny ONU

Taorian’ny lahatenin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny polipitran’ny Firenena mikambana (ONU) tao anatin’ny fivoriambe faha-81, tany New York, Etazonia, afakomaly, nihaona tamin’ny Sekretera jeneralin’ny ONU, i Antonio Guterres, izy. Naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny lalan’ny Fanavaozana ity farany. Nambarany tao amin’ny Radio des Nations Unies […]

Baolina kitra : Nodimandry ny Me Kira Michel

Misaona ny baolina kitra malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny trano fonenany, teny Alasora, teo amin’ny faha-76 taonany, ny Me Kira Michel. Nitarika ny fahafatesany ny aretina efa nandazo azy fotoana naharitra. Mpilalao nitondra avo ny voninahitr’i Mada­gasikara Ratompo­ko­lahy. Irakiraka sady kapitenin’ny ekipam-pirenena Club M, tany amin’ny […]

Fifanintsanana « Can 2027 » : Sahirana ny Super Eagles vao nahalavo ny Barea

Ratsy ny vokatra azon’ny ekipam-pirenena malagasy, omaly, nandritra ny andro voalohany, fifanintsanana “Can 2027”. Lavon’i Nigéria tamin’ny isa 2 no ho 1 ry zareo, omaly, tany Nigéria. “Resy fa nanohitra!” Afa-bela ny Super Eagles Nigéria raha nihaona tamin’ny ekipa nasionaly Barean’i Madagasikara nandritra iny andro voalohan’ny fifanintsanana “Can 2027” ho […]