Auteur/autrice : Adnews

Kitra – Pureplay football league (PFL) : tsy azo jerena ny lalaon’ny 3FB sy ny Fosa Jr

Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ny “Play-offs” ireo ekipa 8 hiady izay ho lohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Ankoatra ireo fihaonana telo, tsy azo atrehin’ny mpijery ny lalaon’ny 3FB Toliara sy ny Fosa Jr Boeny. Hotanterahina ny alahady 28 avrily ho avy izao, ny lalao ampahefa-dala­na mandroso […]

Fiforonana rivodoza : ahina hanomboka amin’ny herinandro

Tsy mbola ahina ny hisian’ ny rivodoza amin’ity herinandro ity (22 hatramin’ny 28 avrily), fa mety hanakaiky an’i Ma­dagasikara na dia mety hisy fiforonana rivodoza aza ao avaratra atsinanan’i Mada­gasikara ny faran’ny herinandro izao, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Amin’ny herinandro manaraka kosa (29 avrily hatramin’ny […]

Fipoahana teny Ampanotokana : navaozina ireo trano voakasika

Navaozina sy naverina amin’ny laoniny ireo trano rehetra lasibatry ny fipoaham-bato tao Manavoandro, fokontany Amboniavaratra, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambo­hi­dratrimo, afakomaly. Nitriatra ka simba ny tranon’ankamaroan’ny mponina teny an-toerana, vokatry ny fandalovan’ireo fiara lehibe miasa eo anivon’ny orinasa Tozzigreen. Tsy nitazam-potsiny, nidina ifotony ary nifampiresaka mivantana tamin’ny tompon-trano lasibatra ny solontenan’ny orinasa. […]

Tokony homen-danja ny teny malagasy : mila sokafana amin’ny fahamaroan-teny ny ankizy madinika

Misy fikaonan-doha karakarain’ny mpampianatra mpikaroka sy mpampianatra mikaroka momba ny fahamaroan-teny sy ny fiantraikany eo amin’ny fiarahamonina, ny fampianarana ary ny sehatra maro mampiasa teny eny amin’ny Ecole normale supérieure (ENS), mandritra ny hateloana. Maromaro ny teny entina mifanerasera eto Madagasikara : teny malagasy ofisialy, teny frantsay, mandarin, kaomorianina…eny anivon’ny fiarahamonina, […]

Filohan’ny AJT Toamasina: «Aoka tsy hampirafesina ny samy mpanao gazety»

Hentitra ny filohan’ny Fi­kambanan’ny mpanao gazety ao Toamasina (AJT), Sa­botsy Jose (Sajo), raha nanafatrafatra ny mpanao politika sy solontenam-panjakana. Nohitsiny fa aoka izay ny fampirisihana ny mpanao gazety miandany aminareo hankahala ny hafa tsy mitovy firehana aminareo. “Avelao izahay hitrandraka vaovao ataonareo ankalamanjana. Zony tanteraka izany na antsoinao na tsia […]