Mizara roa! Nanomboka ny 25, hitohy ny 26 ary 27 septambra ny hetsika Salon de l’auto Madagasikara eny amin’ ny CCI Ivato. Mampiavaka ity andiany faha-15 ity ny fitohizan’ny hetsika fanindroany indray, ny 1, 2, 3 ary 4 oktobra, eny an-toerana ihany. Mikarakara azy ny Vondron’ny mpanafatra fiara avy any […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanafarana solika : Hisy antso vaovao ho an’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2027
Havaozina ny antso ho an’ny fanafarana solika eto Madagasikara, manomboka ny 1 janoary 2027 hatramin’ny 30 jona 2027. Hisokatra ny alatsinainy 28 septambra 2026 hatramin’ny alatsinainy 5 oktobra 2026 ny antso (Appel à manifestation d’intérêt). “Hisy fanovana lehibe amin’ny fomba fanatanterahana ny appel d’offres, amin’ny fanafarana solika avy any ivelany”, […]
FANTINA sy FINTINA
Nolanian’ny Antenimierampirenena, eny Tsimbazaza, afakomaly, ny volavolan-dalàna lah. 039/2026 momba ny fampiasana azo antoka sy am-pilaminana ny teknolojia nokleary eto Madagasikara. Nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana izany nandritra ny fandinihana nataon’ny Antenimiera. Mifototra amin’ny fitsaboana, ny fambolena, ny fikarohana ary ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izany. Nambaran’ny depiote tsy miankina voafidy tany […]
Tsiahy ny tolona 2025 : “Aoka izay ny fifanenjehan’ny samy Malagasy”
25 septambra 2025. Herintaona omaly ny hetsiky ny tanora Gen Z nisian’ny fiovam-pitondrana ho amin’ny fanavaozana. Ho tsiahy izany, nisy ny hetsika fitokanana tsangambato teny Ambohidahy, anisan’ny toerana mafy tamin’ny mpanao hetsika ny namaky azy, hidirana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, Analakely. Famerenana ao an’eritreritra sy ao am-po ny ady […]
Ataovy matotra raha ity !
Andro manan-tantara eto amin’ny tany sy ny fanjakana, omaly. Nitsingerina ny andro nandrombahana fahefana. Fanovana no nilokalokana! Nifanome toky fa handrava efa ny rehetra satria leo ny fitondrana teo aloha. Nanomboka nipoitra ny anaram-petaka ofisialy fa forongony izao ka hatao hazalambo. Samy nanantena zava-dehibe sy fahagagana tsotra izao. Resy […]




