Auteur/autrice : Adnews

Tanà Medium Ring 90 kV : Hanohana ny famokarana herinaratry ny RIA

Hanohana sy hanamafy ny famokarana herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny tetikasa Tanà Medium Ring 90 kV. Miisa 8 ny tobim-pamokarana herinaratra hatsangana eto Antananarivo sy ny manodidina. Notanterahina ny zoma teo, ny tombana mialoha ny fanatanterahana ny « Tanà Medium Ring ». Fivoriana voalohany niarahana tamin’ireo manampahaizana teratany sinoa, tomponandraikitra malagasy […]

FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hananganana ny « Fahefana avo ho an’ny Fanavaozana – HAR », ny antoko Kintana, araka ny nambaran’i Christian Tabera, ny asabotsy teo. Niantso ny filoham-panjakana ny tenany mba handrava ireo Andrimpanjakana. Anisan’izany ny Antenimieram­pi­renena. « Tsy azo antoka intsony ny satan’ireo depiote ka soloina rafitra vaovao », hoy izy. Nanolotra vola 20 […]

Fihaonana an-tampon’ny SADC : Hodinihina ny raharahan’i Madagasikara

Hatao anio any Durban, Afrika Atsimo, ny fihaonana an-tampony faha-46 an’ireo filoha eo anivon’ny Sadc, raha teto Madagasikara ny faha-45, aogositra 2025. Hitarika izany ny filohan’i Afrika Atsimo, i M. Cyril Ramaphosa. Lohahevitra ny hoe: « Indostrializasionina mahazaka sedra sy maharitra ary tsy manavaka amin’ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa sy ny fanovana […]

Toe-tsaina sy zava-misy

  Mandela ny fotoana… Mby aiza ho aiza ny hoe fanavaozana? Ny vahoaka no mahatsapa izay iainany: efa misy fiovana sy fihavaozana? Eo ny tsy fandriampahalemana, manampy trotraka ny fahaverezana sy fahafatesana olona etsy sy eroa. Eo koa, ohatra, ny fiatrehana ny vidim-piainana. Miara-dalana amin’izany ny tsy fisian’asa, ny ady […]

Filoha Randrianirina Michaël : “Tsy misy faritra na firenena handroso ao anaty fifanenjehana”

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny FLM Ambovombe Androy, ny fametrahana fihavanana teo amin’ny filohan’ny Fanavaozana sy ny solombavambahoakan’Ambovombe. Nametra-pihavanana tamin’ny Solom­ba­va­mbahoakan’Ambovombe, Milavonjy Andriasy Phi­lobert, ny filohan’ny Fana­vaozana, ny Kolonely Ran­drianirina Michaël. Nisy ny fotoam-pivavahana nisaorana an’Andriamanitra noho ny fi­verenan’ny fihavanana teo amin’izy ireo, natao tao amin’ny […]