Auteur/autrice : Adnews

Voafitaka tany Cameroun : Hody an-tanindrazana anio ireo Malagasy

Nigadona eto Madagasikara, androany tamin’ny 2 ora maraina, ireo Malagasy miisa sivy notanana an-keriny tany Cameroun nandritra ny volana maro. Niainga tany amin’ity firenena ity izy ireo, afakomaly, ary izao tonga eto an-tanindrazana izao. Voafitaka tamin’ny asa hitany tao amin’ny tambajotran-tserasera ary notanana an-keriny tany izy rehetra ireo. Anisan’ny nandrisika […]

Tao anaty lavapiringa : Raim-pianakaviana maty voatifitry ny basy teny an-tanany

Raim-pianakaviana, 51 taona, hita faty tao amin’ny lavapiringa, tany amin’ny tanàna Maritampona, fokontany Amparihitany, kaominina Kiranomena, ny alin’ny 2 jona 2025 lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Nitondra basy vita gasy iray izy ary voatifitr’izany ka maty tao. Niditra teo ambavafony ny bala ka nitarika ny fahafatesany. Nivoaka namonjy […]