Efa misokatra ho an’ny manam-pikasana handray anjara amin’ny « Madagascourt Film Festival”, andiany faha-18, ny fandraisana anjara. Ity hetsika lehibe ho an’ny horonantsarimihetsika malagasy ity izay hotanterahina ny 18 hatramin’ny 26 novambra 2023. Ny 23 jolay 2023 ny fara fisoratana anarana amin’izany. Mizara efatra ny sokajy ahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana mandritra ny “Madagascourt Film Festival” andiany […]
Auteur/autrice : Adnews
“Fady kambana” : hetsika miaro ny zon’ny ankizy
Tontosaina eny amin’ny Institut Français de Madagascar, IFM Analakely ny fampirantiana sary mampahafantatra ny momba ny fomba malagasy, fitaizana kambana. Mitondra ny lohateny hoe “Fady kambana” ity fampirantiana ity. Manomboka anio ary tsy hifarana raha tsy ny 30 jona 2023 ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana izany fomba malagasy izany. Tafiditra […]
Erick Manana –Ralah Trio: “Tsy mitovy vanim-potoana fa nampiarahin’ny mozika”
Naharitra telo volana ny andiam-pampisehoana nataon-dry zalahy tany ivelany. Hofaranan-dry Erick Manana sy Ralah Trio eto an-tanindrazana izany, hanehoan’izy ireo ny endriky ny mozika nateraky ny fampiarahana talenta. “Niahiahy ihany aho tany am-boalohany…Ho voarain’ny mpankafy ve ity fiarahanay ity? Tsy hampatahotra ny mpankafy ve hoe ho lasa jazz? Saingy nirosoanay ilay […]
Hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey : arahin’ny fitsarana maso Rakoto Doris Samuel
Hotanterahina ny 16 jona izao ny fitsarana an-dRakoto Samuel Doris taorian’ny nihainoan’ny fampanoavana azy tetsy Anosy, omaly. Arahin’ny fitsarana maso kosa anefa ny tenany mandra-pahatongan’izany ka afaka nody, araka ny fanapahan-kevitry ny mpanao famotorana. Nosamborin’ny zandary vao maraina teny an-tranony, eny Andoharanofotsy ity vadin’i Mahery Lanto Manandafy (Malama) ity. “Tsy […]
Arai : fiara 185 sy kaonty 361 no giazina
“Fiara 185 vinavinaina hoe azo tamin’ny kolikoly, na fanodinkodinam-bolam-panjakana, na famotsiam-bola no halain’ny Arai amin’ny toeram-pitanana azy”. Io ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), Rasoloharimanana Aimé, teny Imerimanjaka Ambohijanaka, tamin’ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny fanamarihana ny herintaona nijoroan’io rafitra iadiana […]