Efa tonga eto Madagasikara ny manam-pahaizana manokana momba ny fampianarana teny anglisy, Pamela Johnson, araka ny fampahafantarana nataon’ny masoivoho amerikanina. Hitondra tan-tsoroka amin’ny fampianarana teny anglisy ireo mpitandro filaminana izy mandritra ny fandalovany eto. Hiara-hiasa akaiky amin’ny polisim-pirenena malagasy sy ny zandarimariam-pirenena ny tenany. Hitondra fijery sy fandaharam-pianarana teny anglisy […]
Auteur/autrice : Adnews
CHU HJRA : Miha betsaka ny tanora tsentsina na tapaka lalandra
Misokatra ho an’ny rehetra ny sampandraharaha mandray an-tanana ireo olona mila fandidiana mahakasika ny loha sy ny hazon-damosina ao amin’ny CHU HJRA. Voalaza fa miha tanora ireo olona tratran’ny fahatsentsenan’ny lalandra ankehitriny ary mila fandidiana. Miezaka mampahafantatra hatrany ireo sampandraharaha misy ao aminy ny hopitaly CHU HJRA. Tanjona ny hanamora […]
VAOVAO TAMBATRA
Nidona tamin’ny haran-dranomasina ny sambo mpitatitra entana Amory, teo am-pidirana ny helodranon’i Diego Suarez, akaikin’ny ranomasina Emeraude, ny alahady 8 jona teo. Tsy natahorana ilay sambo, satria tsy nisy rano tafiditra tao anatiny, sady tsy nahitana soritra simba tety ivelany. Voalaza fa olana ara-teknika no nitranga nandritra ny fidirana tao […]
Indostria: Nampiditra 18 miliara Ar ho an’ny fanjakana ny Star
Orinasa manana ny lanjany sy ny toerany eo amin’ny sehatry ny indostria eto amintsika ny Star. Fanalahidin’ny fampandrosoana maharitra ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Manana petra-bola ao amin’ny orinasa Star ny fanjakana malagasy sady mandoa hetra. Nitondra tombony 18 442 780 000 Ar ho an’ny kitapombolam-panjakana ity orinasa […]
Harena an-kibon’ny tany: Tafiditra ao anaty MSP i Madagasikara
Manana harena ambanin’ny tany maro, sokajiana ho saro-pady i Madagasikara. Tena ilain’ny tsena iraisam-pirenena izy ireny, izay tokony havadika mba hitondra harena. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 4 jona teo, ny hidiran’i Madagasikara ao anatin’ny Minerals Security Partnership (MSP) Forum. Ivondronan’ny firenena mpamokatra harena ambanin’ny tany saro-pady ity vovonana ity. […]