Hotanterahina anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny Kianjan’Andohalo ilay hetsika lehibe tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. «Andro iray, kolontsaina arivo», hamerenana sy hampahafantarana indray ireo kilalao fanaon’ny Malagasy fahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanorona, katro, vitsilihy, fampiadiana ravina, sns. Ankoatra ireo, hisy ny fampianarana mamboatra harendrina. […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra 160 taona ny fiaraha-miasa ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, ankehitriny. Fifandraisana maharitra niteraka tombontsoa mivantana ara-toekarena ho antsika. Misokatra ho an’ny Malagasy mpandraharaha ny tsena amerikanina ka manome sehatra vaovao ho an’ny fanondranana vokatra sy ny fampiroboroboana ny famokarana. Mahazo tombontsoa manokana amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ireo vokatra […]
Fampandrosoana : Famatsiam-bola 57 tapitrisa euros avy amin’i Frantsa
Fanaovan-tsonia telo sosona no nataon’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, sy ny talen’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), omaly. Famatsiam-bola mitotaly 57 tapitrisa euros, mitsinjara sehatra telo. Voalohany, fanampiana ny tetibola mitentina 4 tapitrisa euros, ho an’ny tetikasa mifantoka amin’ny fahasalamana, ny […]
Foara Fibre Yas : Tolotra internet maimaimpoana
Notontosaina tetsy amin’ny zaridaina Antaninarenina, ny 18 sy 19 jona teo, ny andiany voalohany, amin’ny Foaran’ny Fibre Yas. Fotoana nifandraisana mivantana amin’ny mpanjifa, nanentanana sy nampahafantarana azy ireo ny lanjan’ny internet amin’izao fotoana izao. Nampiavaka ny hetsika ny fahazoana internet maimaimpoana mandritra ny 2 volana ho an’izay hanao famandrihana voalohany. […]
Fivoaran’ny teknolojia : Asa hatramin’ny 40% no very
Mihazakazaka ny Fivoaran’ny teknolojia. Manova tanteraka ny toekarena ny niomerika ka lasa fanoitra amin’ny fampivoarana sy famoronana. Miantoka ny fifaninanana eo amin’ny tsena ny fampiasana ny Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA). Manampy amin’ny famoronana asa sy ny hitrandrahana ny tsena izy saingy sakana ho an’ny fitadiavan’asa ho an’ny tanora. Nivoitra izany nandritra […]




