Auteur/autrice : Adnews

Fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa: Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny ESIA

«Nifindra toerana eny Ambohidroa, Andranomena ny Ivontoerana mikarakara ny fahasalaman’ny mpiasa ESIA, hahafahana manatratra ny tanjona hanakaiky kokoa ny mpikambana ka tsy hanahirana ny mpiasa ao amin’ny orinasa ny hanatona ny fitsaboana», hoy ny mpitsabo mpandrindra ny ivontoerana, Rabetsoa Eddy, omaly. Eo koa ny fanatsarana, hanomezana tolotra mifanandrify amin’ny filan’ny […]

INDRAY MIJERY

Araka ny didim-pitondrana laharana faha-195/mid/pref.pol.tana/osp.26 navoakan’ny prefektioran’ny polisy Antananarivo, ny 12 jona 2026, dia voarara tanteraka ny fampiasana tsipoapoaka sy « laser » rehetra. Toy izany koa, ny fanaovana na filalaovana fitaovana hafa mitovy endrika amin’ireo, indrindra eny Ivato izay manelingelina ireo mpanamory fiaramanidina. Ny fandikana ny fepetra voalazan’ity didim-pitondrana […]

Madagascar National Parks : Hamaritra lova ho an’ny taranaka ny 35 taona hoavy

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, tetsy Anko­rondrano, ny fankalazana manetriketrika ny faha-35 taonan’ny Madagacar National Parks (MNP) izay notronin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mamitiana…. “Fanorenana ny 35 taona lasa, famaritana ny lova ho an’ ny taranaka kosa ny 35 taona manaraka manomboka eto”, hoy ny tale jeneralin’ny MNP, Rakotoarisoa Ony. […]

Famokarana rano eto Antananarivo: Hiakatra ho 42 000 m3 isan’andro hatramin’ny faran’ny volana

Notanterahina omaly, teny Anosy, ny atrikasa fampahafantarana ny vokatry ny Drafitra fototra momba ny famatsian-drano madio fisotro ho an’Antananarivo sy ireo kaominina 37 manodidina. Tafiditra amin’ny tetikasa fanatsarana ny fahazoana rano madio fisotro (Paaep), tanterahin’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana ary tohanan’ny Banky iraisam-pirenena izy io. Nambaran’ny ekipan’ny Jira­ma sy […]

« Island Vibes Festival » : Hetsika ara-javakanto iraisam-pirenena any Toamasina

Hanana «Festival» vaovao hanampy ny efa misy i Toa­masina. Nampahafantarina omaly ny «Island Vibes Festi­val», izay hatao ny 17 hatramin’ny 19 jolay izao, ao amin’ny tokotanin’ny Arena Toama­sina. « Fa maninona no any ? Satria tokoa saika taty Anta­na­narivo io no natao tany am-boalohany. Izaho kosa monina any Toamasina efa ho roa […]