Nigadona eto Madagasikara, ny 15 febroary teo, ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney miisa dimy. Ny iray amin’izy ireo, hiara-hiasa amin’ny federasiona malagasin’ny taranja «Ping-pong». Haharitra roa taona eo ny asan’izy ireo eto an-toerana. Tsiahivina fa ny ekipa malagasy dia niatrika ny Mondial, lalao iaraisana, tamin’ ity taranja ity. Hifanandrina amin’ny ekipan’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
“Pureplay Football League”: hanafika ny Fosa Jr ny Ajesaia
Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra. Hisongadina amin’izany ny lalaon’ny Fosa Jr Boeny sy ny Ajesaia Bongolava, ho an’ny kaonferansy atsimo. Fihaonana hatao ao amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga, ny alahady ho avy izao. Hanalavela ny ekipan’i Bongolava amin’ity. Raha tsiahivina, resin’ny […]
« Afrobasket 2025 »: resin’i Côté d’Ivoire i Madagasikara
Tsy nahomby ny lalao voalohany natrehin’ny Malagasy, tao anatin’ny dingana voalohan’ny fifanintsanana « Afrobasket 2025 », sokajy lehilahy. Resin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny Ankoay Niondrika nanoloana an’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 77 no ho 69, i Madagasikara, omaly, tao Le Caire Egypte, nandritra ny lalao voalohany. Tany ampanombohan’ny lalao dia […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitentina 570 dolara ny vidim-bary iray taonina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, raha toa ka 342 dolara izany tamin’ny taon-dasa. Hiantraika eto amin’ny tsena anatiny ity vidim-bary ity. Ankehitriny vidina 136 000Ar ny gonim-bary 50 kilao. Mbola betsaka kosa ny tahirim-bary eny an-tsena sy hiatrehina ny maitsoahitra. Hitondra paikady dimy hampandrosoana ny […]
Conférence des parties-COP 11: handray ny fihaonambe i Madagasikara
Hotanterahina eto Antananarivo, ny 10 ka hatramin’ny 16 jona ny « Conférences des parties » (COP11) de la convention de Nairobi, andiany faha-11. Filohan’ny biraon’ny convention nanomboka ny taona 2022 hatramin’ity taona 2024 ity i Madagasikara ka hampiantrano izao fivoriambe iraisam-pirenena izao. Hasongadina mandritra io fotoana io ny ezaka ataon’ny fanjakana mahakasika […]





