Auteur/autrice : Adnews

TETIKASA EAGER: hovatsiana vola 180 tapitrisa dolara

Mitentina hatrany amin’ny 180 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ny tetikasa « Autonomisation et résilience des filles en Afrique de l’Est” (EAGER). Natao hampiakarana ny tahan’ny ankizivavy hianatra sy hahaleo tena ara-toekarena izany. Hisitraka ny tetikasa ny faritra 16 izay tena mbola hita fa vitsy ny vehivavy manana fihariana ka mila fanampiana […]

« Grand salon économique de Madagascar »: hanome lanja ny toekarena malagasy

Hampivondrona ireo mpandraharaha isan-karazany ny « Grand salon économique de Madagascar », izay hatao ao Toamasina, mandritra ny telo andro. Hifampizara traikefa ny samy mpandraharaha, hampiroboroboana ny toekarena ao an-toerana. Hanehoana ny vokatra ataon’ireo mpandraharaha samihafa sy ho fampiroboroboana ny toekarena malagasy ny  « Grand salon économique de Mada­gascar » andiany voalohany. Hetsika hatao […]

Ambohimanarina : mpamaky trano roa lahy tra-tehaka

Voasambotry ny polisy ny mpamaky trano roa lahy tao Antanety avaratra Ambohimanarina, omaly. Nitsofoka mangingina tao amina tokantrano iray anatin’io fokontany io izy roa lahy. Tsikaritry ny vaomieran’ny fandriampahalemana izy mirahalahy ireo tamin’ny 2 ora maraina . Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ilay nanatri-maso. Tratra teo am-pikonon­kononana handroba ilay tokantrano […]

Taorian’ny fiofanana asa amin’ny web: tanora 200 niatrika fifantenana mivantana

Hisitraka asa sahaza azy ireo tanora nanaraka fiofanana maimaimpoana nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika. Taorian’ny fiofanana maimaimpoana nampanaovin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa momba ny asa amin’ny web, ny volana janoary lasa teo, niroso tamin’ ny fandraisana mpiasa mivantana ny orinasa fito, omaly, teny Ampefiloha, foiben-toe­ran’ny minisitera. Tanora 200 voaofana […]