Teo am-pikasana hanafika mpamongady iray ao amin’ny fokontany Anjomakely, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly alina, no nifanehatra tamin’ny zandary ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Nanao ny asa fisafoana toy ny fanaony mahazatra ireo zandary no nahatsikaritra io andian-jiolahy eo am-piomankomanana hanao fanafihana tranombarotra io. Raikitra ny fifanenjehana satria nanapoaka basy […]
Auteur/autrice : Adnews
Vokatry ny rotsakorana be: olona roa maty, 2 231 traboina eto Analamanga
Tsy mbola ofisialy ny filazana fa nisy olona 11 maty ary 25 hafa tsy hita popoka vokatry ny fisian’ny ranotrambo tao amin’ny distrikan’i Benenitra ny alatsinainy lasa teo, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC. Vokatry ny rotsakorana niseho teto Antananarivo, ny 6 ka hatramin’ny 11 febroary ary ny 11 febroary lasa […]
SOMBIM-BAOVAO
Mitazona ny laharana voalohany hatrany ny GNVB vehivavy amin’ny fifaninanan’Analamanga, taranja volley-ball. Lavon’izy ireo tamin’ny seta 3 no ho 1 ny ekipan’ny Squad 1, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsara ho fantatra fa tsy mbola resy mihitsy ireto ekipan’ny zandarimariam-pirenena ireto. Notontosaina nanomboka ny 10 febroary lasa teo ny fiadiana […]
Tsipy kanetibe : hanomboka ny volana marsa ny fifaninanana
Hotanterahina ny 2 hatramin’ny 3 marsa ho avy izao, eto Antananarivo, ny fifaninanana ho fanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2024, taranja tsipy kanetibe. Ankoatra izay hisy fifaninanana nasionaly efatra hotontosaina amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hatao any Antsirabe, ny 5,6 ary ny 7 avrily ho avy […]
Kitra – “JO 2024” : tsy anisan’ireo tafita i Brésil
Nitranga ny tsy nampoizina, tsy anisan’ireo handray anjara amin’ny « lalao Olympika, JO 2024”, tanterahina any Paris France, ny Seleçaon’i Brésil, taranja baolina kitra, sokajy lehilahy. Tsy nahazo ny tapakila hiatrehana izany ry zalahy, taorian’ny fifanintsanana ho an’ireo firenena any amin’ny tapany atsimon’i Amerika. Raha tsiahivina, tompon’ny medaly volamena farany ry […]





