« Velapiainana » iarahana amin’ny Faribolana Sandratra izay mandia ny faha-35 taonany. Hetsika tanterahina ny 21 febroary izao, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy (Efitrano Dox). Antsa tononkalo hiarahana amin’i Maneho sy Ratsifa. Hiompanan’ny lohahevitra amin’izany ny « Fitia ambaratelo », hitondra any amin’ny fiainana soratra, fitiavana iainana. Fanokafana ny « Loabary an-dasy », iarahana amin’ny Fikambanan’ny mpikabary […]
Auteur/autrice : Adnews
Ho an’ny tenim-pirenena : hanao « Antsa tononkira » ny Havàtsa-Upem
Hiavaka tsy tahaka ny nisy teo aloha! 21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » (natao dikan-teny malalaka). Hanatanteraka « Antsa tononkira », ao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha (Efitranon’ny kolontsaina) ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy, Havàtsa-Upem. Hovelomin-dry zareo an-tsehatra ireo tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havàtsa-Upem. Hanana endrika miavaka io « Antsa tononkira » hotanterahina […]
Ripo andiany fahadimy : misolo tena antsika Rabearivelo Dina
Nisokatra nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 18 febroary 2024, ny “Rencontres internationales des peintures de Ouagadougou (Ripo) andiany fahadimy. Hetsika iraisam-pirenena eo amin’ny hosodoko, karakarain’ny Association pour la promotion des arts plastiques (APAP). Mpahay kanto miangaly ny hosodoko miisa 40 avy amin’ny lafivalon’ny tany no mandray anjara […]
“Reko Tour 2024” : hiara-dalana ny fampisehoana sy ny fanabeazana
“Hafa mihitsy”, araka ny hirany ity tarika iray ity… Miezaka tsikelikely amin’ny herin’ny tenany, mitondra ny anjara birikiny ho an’ny fiarahamonina ary manana fijery lavitra… hozarainy mandritra ny “Reko Tour 2024”. 5 taona izay… 5 taona nizarana ny mozikany ny Reko. 5 taona nametrahany ny tanjona ka nahitany ny lalan-kombana […]
Andro iraisam-pirenena ho an’ny onjampeo: fitaovan-tserasera maro mpankafy sy fampitam-baovao
Nomarihina omaly, ny andro maneran-tany ho an’ny onjampeo. Nisy ny fandaharana manokana nitambaran’ireo mpiasan’ny radio rehetra tao amin’ny Radiom-pirenena malagasy (RNM), omaly atoandro. Nifandrombonan’ny mpanentana amin’ny radio samihafa avy eto Antananarivo. “Ny radio: manamarika ny lasa, mampitoetra ny ankehitriny, fanoitry ny ho avy”, io ny lohahevitra nentina nanamarihina izany, tamin’ity […]





