Notendren’ny papa Fransoa ho evekan’ny diozen’i Morombe, afakomaly, ny pretra diosezianina avy any Toliara, monpera Razafinirina Jean-Désiré. Mpanabe tao amin’ny seminera zokiny, Vohitsoa Fianarantsoa, izay seminera iombonan’ny arsidiosezy, Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana, izy, ny taona 2013. Rektoran’izany izy tamin’ny taona 2017 hatramin’izao nanendrena azy izao. Tafakatra 11 421 765 ny voasoratra […]
Auteur/autrice : Adnews
Kolektifa an’ny Malagasy : « Mitady vahaolana izahay »
Nampahafantarina omaly, teny amin’ny Hotel Louvre Antaninarenina, ny fijoroan’ny Kolektifa an’ny Malagasy. Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety no nampahafantarana izany. Araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ity vondrona ity, ny “Collectifs des Candidats” no nivadika ho Kolektifa an’ny Malagasy. Tsy an’ireo kandidà nilatsa-kofidina ho filoham-pirenena intsony izany fa natao […]
Mifamono, mifameno…
Hita sy tsapa fa mirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena tamin’ny famaranana ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo. Mila vahaolana mazava, haingana, mahomby… Toy izany koa ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra, tsy tena voafehy. Ny fidangan’ny vidim-piainana no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana? Ny fahantrana, ohatra, no […]
Rajoelina Andry: hihamafy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Arabo Mitambatra
Firenena anisan’ny fakan-tahaka ny firenena Emirats Arabe Unis, indrindra eo amin’ny lafiny fandrosoana. « Mpiara-miasa manana fahaiza-manao, tsara kalitao sy manana traikefa no miaraka amin’i Madagasikara ho amin’ny fandrosoana haingana sy maharitra », hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Omaly no nandray fitenenana, nanoloana ny mpandray anjara amin’ny fihaonamben’ny governemanta maneran-tany ny […]
Andravoahangy: jiolahy maty voatifitry ny polisy
Fanafihana tsy tontosa! Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy iray tetsy amin’ny tsenan’ Andravoahangy, afakomaly. Telo lahy nikasa hanafika trano fivarotana nifanenjehan’ ny mpitandro filaminana teny Andravoahangy, afakomaly. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy antsy ireo olon-dratsy ireo, ny atoandron’ny alatsinainy teo. Niditra amin’ny faritry ny tsena izy telo […]





