Auteur/autrice : Adnews

Fifidianana : vonona haka toerana maro ny TGV Atsimondrano

Hatao amin’ity taona 2024 ity ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny ho solombavambahoaka. Nanao fihaonana teny Andoharanofotsy, ny alahady 11 febroary teo, ny mpikambana ao anatin’ny antoko TGV distrika Atsimon­drano. Nitarika ny fotoana ny solombavambahoaka, Ratsi­va­hiny Andry, notronin’ny ben’ny Tanàna ary ireo mpitarika antoko isaky ny kaominina sy ny mpikambana […]

MMF : “Ny fihavanana no hahatafavoaka”

Mijoro ankehitriny ny Malagasy miray hina ho an’ny fampandrosoana (MMF), tarihin’ny filohany, Chadly Wander Assany. Nisy ny fihaonana nataon’izy ireo tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, omaly, ho fanamafisana ny firaisankina eo amin’ireo mpikambana, raha ny fanazavan’ity filoha ity, mahakasika ny hetsika izay ataon’izy ireo ny 3 marsa izao any Toamasina. Ho […]

Fihaonan’ny governemanta maneran-tany : nahazo fanasana manokana ny filoham-pirenena malagasy

Ankoatra ny fisokafana amin’izao tontolo izao, fanararaotra lehibe ho an’ny mpitondra hahafahana maneho sy mampahafantatra ny vinan’i Madagasikara amin’izao tontolo izao ity hetsika ity. Tanterahina any Dubai, nanomboka omaly ha­tramin’ny 14 febroary 2024, ny fihaonana an-tam­pon’ny governemanta maneran-tany. Anisan’ny filoham-pirenena sy lehibena Go­vernemanta miisa 7 voaasa manokana hanatrika ny filoham-pirenena […]

INDRAY MIJERY

Hankalazaina ny 21 feboary ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny. Hisy hetsika ara-tsiansa karakarain’ny ivontoeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary olona eny anivon’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary ny siansa maha olona, oniversiten’Antananarivo. Ny lohahevitra hoe “teny ma­lagasy ahefan-draharaha” no hifampizarana ao amin’ny Amphi ehibe EGS DSP Ankatso. Nitsidika […]

Lycée teknika: nivoaka ny tetiandron’ny fanadinana

Nosantarina ny 22 janoary lasa teo ary hifarana ny 5 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny anivon’ny Lycée teknika na ivontoeram-panofanana teknika ho an’ny taom-pianarana 2024-2025, araka ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Ho­tanterahina ny 20 sy 21 […]