Auteur/autrice : Adnews

Moto telo nifandona : Olona roa namoy ny ainy, roa hafa naratra mafy

Nifandona tetsy Andraharo ny moto miisa telo, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Maty tsy tra-drano, nandritra izany, ny tovolahy iray anisan’ny namily ny iray tamin’ireo kodiaran-droa. Tsy tana koa ny ain’ilay tovolahy iray izay nentina avy aoriana rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andra­haro, ny […]

Fetim-pirenena  : Sehatra ho an’ny kanto marolafy ny etsy Mahamasina

« Podium », sehatra ho an’ny mozika no nahafantarana ny etsy amin’ny Kianja Mahamasina hatrizay, Niova kely kosa ny amin’ity. Natao ho sehatra ho an’ny kolontsaina marolafy, izay noraisin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac) an-tanana. « Novela­rina mba homen-danja avokoa ny seha-kanto izay azo hasongadina: teatira, poezia, sokitra, hosodoko, saripika, […]

Garage Mozika Ultimate Show : Hiray sehatra ry Iraimbilanja, Mage 4, Rheg The Gang

Tafaraka ireo tarika andrarezin’ny mozika rock. Ho fanamarihana ny faha-5 taona nisian’ny Garage Mozika. Ho an’ny firaisankinan’ny rock eto amin’ny tanàna. Hisy ny fampisehoana lehibe nampitondraina ny anarana « Garage Mozika Ultimate show » hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina (Parvis 1), ny alahady 5 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy […]

Baolina kitra Vakinankaratra  : Tompondaka ny Gendarmerie Nationale FC

Tontosa ny alahady 14 jona lasa teo, tao amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ny ligin’i Vaki­nankaratra D1, taranja baolina kitra. Voahosotra ho tompondaka ny Gendarmerie Natio­nale FC, rehefa nandresy ny FC Valahara, tamin’ny isa mazava, 4 no ho 0. Nanjaka ny fahaiza-manaon’ireo mpilalaon’ny zandary. Satria, teo […]

Kianja Kanto Antsararay : Nahazo kianja basikety ny boriborintany faha-6

Nahazo kianja filalaovana basikety ny mponina eny amin’ny boroborintany faha-6. Vita ary notokanana ny alarobia lasa teo ny toerana nomena ny anarana hoe kianja Kanto Antsararay. Tetikasa tafiditra ao anatin’ny “Pepinière urbaine” an’Antananarivo Reni­vohitra, nentin’ny Gret hiarahana amin’ny Kaominina An­tananarivo Renivohitra ary tohanan’ny AFD (Agence française de développement) ity tetikasa ity. […]