Voafidin’ny Antenimierampirenena ho mpanolotsaina avo ao amin’ny HCC, Razafindramasy Faralahy Célestin sy Vazison Honoré. Miisa efatra ireo kandidà nirotsaka ka ireo roa nahazo vato be indrindra no voafidy tamin’ny fifidianana natao, omaly, teny Tsimbazaza. Tsiahivina fa izy ireo no hisolo toerana ireo roa nametra-pialana, afakomaly. Voatendry ho tale jeneraly vonjimaika […]
Auteur/autrice : Adnews
fikaonandoham-pirenena: Tokony havoaka ny tetiandro
“Tokony tsy hihoatra ny volana oktobra ny fikaonandoham-pirenena hitambaran’ny besinimaro. Entanina ny FFKM hametrapetraka ny tetiandro”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny antoko Sehatra fampandrosoana ny demokrasia eto Madagasikara (SFDM) eo anivon’ny vovonana Diovy i Madagasikara, i Beanjara Paul, momba ny fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena. Tokony ho hay ny manambatra ny […]
Ady fiady
Ny lainga iray rehefa averina in’arivo, hono, mivadika ho marina amin’ny farany? Ny marina iray rehefa viraviraina lava, lasa mamitaka. Izay ny politika? Indrindra rehefa tsy misy foto-kevitra na ideolojia mazava, afa-tsy ny fahazoana fahefam-panjakana. Izay no antom-pisiana sy ijoroana… Tsy mahagaga ny fisian’ny fivadibadihana lava: ny sakay sy […]
Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc : « Ilaina fantarina ny tena filan’ny vahoaka… »
Tany amin’ny foiben’ny Vondrona eoropeanina (UE), any Bruxelles, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, omaly. Nambarany fa nisy ny fihaonany tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity rafitra iraisan’ny Eoropeanina ity. Anisan’ny nambarany taorian’izany fihaonana izany ny momba ny fiainam-pirenena. « Ilaina fantatra ny tena filan’ny olona. Tsy tafondro na fitaovana tsy mandeha ireny […]
INDRAY MIJERY
Hifarana anio ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra nentin’ireo mpiasan’ny fahasalamana nankalazana ny faha-13 taonan’ny hôpitaly CHU Mitsinjo Betanimena, Toliara. Hetsika nahitana ireo tolotra ara-pahasalamana maro sy maimaimpoana toy ny fizaham-pahasalama amin’ny ankapobeny sy fanomezana fanafody, fitiliana VIH sy diabeta, fizahana tosidra avo, fanentanana amin’ny fisorohana ny aretina MPox sy […]




