Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Maro ny fotodrafitrasa vita ao anatin’ny tetikasa “Picas 1”, any amin’ny Faritra Anôsy, tohanan’ny Bad, toy ny tsena, ny magazay mpiara-miombon’antoka, ny EPP sy CEG any Agnarafaly. Eo am-panatanterahana ny tobin’ny zandarimaria sy ny CSB. Hisy koa ny fanorenana trano fonenana, tany hambolena ary fanohanana ny fiompiana ho an’ny tokantrano […]

Seranam-piaramanidina Ivato : Haranty ny vokatra « Malagasy ny antsika »

Notokanana omaly, ao anatin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, Antananarivo, ny toerana manokana ahitana ireo vokatra manana ny mari-pamantarana label « Malagasy ny antsika ». Tompon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), miaraka amin’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny sera­nan’Ivato. Nambaran’ny filohan’ny Sim, Rasamimanana Tiana, fa mandalo ny mpandeha, fa ny […]

Foire Manandratra : Omena vahana ny loharanon-karena

Hotanterahina ao Ambatondrazaka, ny 6 ka hatramin’ny 8 aogositra, ny hetsika ara-toekarena “Foire économique Manandratra”, andiany voalohany. Hisongadina sy hampahafantarina mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika ny harena voajanahary, ny fahaiza-manao samihafa ary ny fampiasam-bola ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Atao hanohanana sy hampandrosoana ara-toekarena ao an-toerana ihany koa […]

Africa Energy Forum (AEF) 2026 : Manamafy ny fiaraha-miasa stratejika ny CGHV

Laharam-pahamehan’ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV) ny dinika niarahana tamin’ireo mpisehatra momba ny angovo sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ho an’ny fampandrosoana sy fanatanterahana ny tetikasa. Nandray anjara tamin’ny Africa Energy Forum (AEF) 2026, natao tany Cape Town, Afrika Atsimo, ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CG­HV). Fihaonambe eo amin’ny […]