Auteur/autrice : Adnews

Fanadinana CEPE : manomboka ny fisoratana anarana

Efa mitombo ny isan’ny olona mangataka taratasim-panjakana eny amin’ny biraon’ny boriborintany hikarakarana fanadinana fa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana. Efa nisokatra ny alatsinainy 22 janoary teo ny fotoana fisoratana anarana ho amin’ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mbola ny 22 marsa ho avy izao […]

TARATRY ny KANTO

Piment Café – Mahery sy Nanie. Haverina anio alina indray ilay fiarahana an-tsehatr’ireto mpanakanto ireto, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fampiaraham-peo maromaro no nalahatr’izy ireo, volana vitsivitsy lasa izay. Maro mpankafy izany ka betsaka ireo nangataka famerenana. Hanao ny hirany manokana ihany koa izy mianadahy ireto. M’Lam – Ho an’i […]

Anoka Ba Gasy: hamerina ireo hira tsy tontan’ny ela

“Hanina an’i Neny. Hira anisan’ny nampalaza ny fampiaraham-peon’i Barijaona sy O’Suzah izy ity. “Hira noforonin’ny anadahin-dreniko, Ran­dria Gervais, ny Hanina an’i Neny. Nampihiraina an-dry Barijaona izany, ary tena be mpankafy. Ankehitriny haverinay Anoka Ba Gasy indray ny hira”, hoy ny nambaran-dRalanto. Iray amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Anoka Ba Gasy. […]

“Ripo” andiany fahadimy: voafantina handray anjara Rabearivelo Dina

Fanararaotra, ahafahana maneho ny maha izy ny haikanto malagasy, indrindra ny azy manokana, ny fampirantiana iraisam-pirenena. Maro ny olona mifanerasera sy tonga miatrika io fotoana io amin’ny maha fihaonam-be iraisam-pirenena azy. Tanterahina ny 13 hatramin’ny 18 febroary 2024, any Ouagadougou Bur­kina Faso, ny Rencontres internationales des peinture de Ouagadougou (Ripo), […]

“Grand Poetry Slam 2024”: efa miomana ny mpikarakara

Tanterahina ny 6 hatramin’ny 12 mey 2024, any Paris Frantsa, ny «Grand Poetry Slam”, fifaninanana hiadiana ny amboara maneran-tany eo amin’ny poezia sy ny slam. Firenena maro no mandray anjara amin’izany ary anisan’ny manana solontena i Ma­dagasikara, amin’ny alalan’ An­dria­manantsoa Santatri­niaina na i Santa. Efa eo am-panomanana tanteraka izany fifaninanana […]