Nisy vary lo hafa indray, 20 kitapo, tratra tany Mangarano Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nanaraka ny fepetra ny fandorana ireo vary ireo, raha ny fanazavan’ny tonian’ny fampanoavana. Nanamarina ny zandarimaria ao Toamasina, fa nisy vary simba sy lo, tratra tao amin’ny trano fitahirizana an’ny teratany indo-pakistaney eny Mangarano, […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanodinana fako taratasy : manaja ny tontolo iainana sy mampihena ny loto miparitaka
Anisan’ny manimba ny tontolo iainana ny fiparitahan’ny fako eto Madagasikara. Maro ny karazana fako hita, toy ny legioma, voankazo, taratasy, plastika… Mitarika aretina eo amin’ny olona ny fitobian’izany ary mampimenomenona ny ankamaroan’ny maro. Manampy amin’ny fanenana izany sy fanajana ny tontolo iainana ny fanodinana ny fako ataona olon-tsotra sy orinasa. […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho tale kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotonirina Elysa. Tale misahana ny raharaha iraisam-pirenena sy mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova. Talen’ny fifandraisana amin’ny vondrom-bahoaka, Rajaonah Mirana ary tale misahana ny hetsika kosa, Ravelonjato Eliah. Nanolotra ny sori-dalana hitantanany ny minisitera sahaniny avy teo amin’ny filankevitry ny minisitra ireo minisitra […]
Antenimierampirenena: tsy hita ny vola 150 tapitrisa Ar
Ampamoaka! Anisan’ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Raholdina Naivo, teny Tsimbazaza, omaly, ny fanjavonan’ny volan’ ity Andrimpanjakana ity. “Nisy nanodinkodina ny vola 150 tapitrisa Ar fahana finday natokana ho an’ireo depiote. Tokony hampiasaina amin’izao telovolana izao izany”, hoy izy. Na izany aza, efa mandeha ny fanadihadiana momba izany, araka ny […]
Ny olona no olana
Miroso tsikelikely amin’ny fametrahana ireo mpikambana handrafitra ny ekipa, hamita ny iraka, ny fiadidiana ny Repoblika sy ny primatiora. Efa mipoitra ireo mpamono baolina, ny irakiraka, indrindra ny mpiandry vodilaharana. Mandeha tsimoramora ny fifantenana. Misy ny ekipa manao be fiavy amin’ny fanesorana sy fanoloana mpilalao. Misy ny tsy taitaitra […]





