Auteur/autrice : Adnews

«Bandy Rangahy 2024»: eny amin’ny Madagascar Espace ry Samoëla

Tsapa ho nangetaheta tsy mbola afapo ireo mpankafy tamin’ny zoma lasa teo… Maromaro rahateo ny tarika nandray anjara tamin’ilay “To­lo-tanana ho an’i Mikakely”. Samoëla ranoiray kosa ny anio alina, eny amin’ny Mada­gascar Espace eny By Pass, manomboka amin’ny 9 ora alina. Natao ho an’ireo mpankafy izay miandrandra izany foana izy […]

Very ilay fanahy: miantehitra amina fitaovana raitra ny zavakanto

Matetika mijanona eo am-bava fotsiny ihany ny hoe : « aingam-panahy ». Ny zavakanto sy ny asa famoronana no tena ahenoana azy io. Hatreo ihany fa ilay fototra saika vitsy dia vitsy ny mahafantatra azy… Nanampy trotraka ihany koa ny fisian’ireo fitaovana raitra hoenti-manatanteraka ny kanto tian-katao. Ilay « fanahy maha olona », io no […]

VAOVAO TAMBATRA

Loharanon-karena mifototra amin’ny olona, fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana. Ireo no andry telon’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tanjona napetraka ao amin’ny tetibolam-panjakana 2024 ny fampiakarana ny harinkarena faobe ho 4,5%. Hotohizana daholo ny tetikasa toy ny fanamboarana ny “autoroute”, ny “Flyover”, ny teleferika, ny Tana-masoandro, […]

mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny minisitera: hiara-hientana amin’ny fitsirihana vidin’entana

Mitohy ary hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena. Ho hamafisina ny fidinana ifotony manerana ny tsena ka handraisana fepetra ireo minia mandika lalàna. Noho izany, hiara-hientana amin’ny fanabeazana ny mpanjifa sy amin’ny fitsirihana eny an-tsena ny fikambanana mpiaro ny zon’ny […]

Fihariana : tanora 110 niofana fiompiana trondro

Tombony ho an’ny fampiroboroboana ny fihariana ny fahazoana fiofanana hanatsarana ny seha-pamokarana. Tanora sy mpiompy trondro 110 mianadahy nisitraka fiofanana tetsy Ampandrianomby, omaly. Niompana tanteraka tamin’ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro ny hetsika. Nampahafantarana an’ireo mpiofana tamin’izany ny karazana fiompiana trondro misy sy mety eto Madagasikara hatramin’ny fikarakarana rehetra […]