Auteur/autrice : Adnews

Tetikasa “Kanto Manabe”: mpilatsaka an-tsitrapo miofana momba ny sary sokitra

Fampianarana ny fototra amin’ny fanaovana sary no ampitaina amin’ireo eny anivon’ny fiarahamonina mba hampivoarana sy hampivelaran’izy ireo ny talentany. Izany ihany koa no homena ireo mpanabe kanto izay hizara izany eny ifotony. Ao anatin’ny fiofanana tanteraka ny mpanabe ny kanto ao anatin’ny Tetikasa “Kanto Manabe” (TKM) amin’izao fotoana izao, eny […]

Antanambao Manampontsy: miandrandra ny fahavitan’ny lalam-pirenena faha-20

Lalam-pirenena azo sokajiana ho mampifandray kao­minina maro ao anatin’ny disitrikan’ Antana­m­bao Manam­po­ntsy sy Vato­mandry ny lalam-pirenena vonjimaika  faha-20 “RNT” (Route na­tio­nale temporaire). Mirefy 58 kilometatra miala eo amin’ny la­lam-pirenena faha-11 A, eo Ilaka Atsinanana ka hatrany Antanambao Manam­pontsy ity lalana ity. Lavitra sady ratsy ny lalana, raha ny zava-misy sy […]

FANTINA sy FINTINA

“Ho amin’ny tsaratsara kokoa ny politika ankapoben’ny fanjakana, ary tsy izahay no sakana amin’izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, tetsy Anosikely. Anisan’ny handalo eny amin’izy ireo ny momba izany amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao. Nitohy omaly, ny fitsidihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny any Alzeria. Nihaona […]

Ravalomanana Marc : “Tsy maintsy ampiakarina ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy”

Nifampiarahaba tratry ny taona ny antoko Tim, ny faran’ ny herinandro teo, teny Fara­vohitra. Nanotrona ny filoha mpanorina, Ravalomanana Marc, ny solontenan’ireo mpitarika ny antoko isam-paritra sy manerana ny renivohi-paritany eto Madagasikara. Niom­pana tamin’ny fiatrehana ny fifidianana ny lahateny nataon’ ny filoha teo aloha. Nam­barany fa : “Zo sy adidy […]

Mpanentsin-keloka !

  Trangam-piarahamonina iray tena nahakivy sy nahaketraka ary nahatezitra no nitranga omaly, teny Manarintsoa. Maty noho ny kapoka nataon’ny raikeliny hoe ilay zazavavikely? Nahaontsa ny nijery ilay vaovao niely. Tena nanohina mafy ary samy naneho fihetsehampo daholo izay nahita tamin’ny tambajotran-tserasera. Homboy ! homboy ! sambory ! gadrao ! izany avokoa ny antsoantson’ny mpanara-baovao. […]