Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Raim-pianakaviana 45 taona maty voatsatotsatok’antsy tao amin’ny kaominina Ambodivoara, distrikan’i Sambava, ny sabotsy 13 janoary teo. Matetika manan-draharaha eny amin’ny fitsarana nateraky ny ady tany ity namoy ny ainy ity sy ilay olona nahavanon-doza. Niafara tamin’ny fifamonoana io olana io. Ankizy 13 taona nalain’ny mpaka an-keriny ka natakalo lelavola 1 200 000 […]

Sahamatevina Vatomandry : telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tao Andasiben’ Antsampanana, omaly, ary maty tamin’ izany ny dahalo telo lahy izay avy any Mandoto, distrikan’ Antsirabe, sy Antananarivo, raha ny angom-baovao avy any Sahamatevina. Nandritra ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny ben’ny Tanànan’ i Sahamatevina, Radimby Voro Dénis, no nambarany fa andian-jiolahy maromaro izy ireo ary […]

Andohanilakaka : amidin’ireo olon-dratsy 100 tapitrisa Ar ny voamaso

Tra-tehaky ny polisim-pirenena tao Andohanilakaka ny dimy lahy nivarotra voamaso, afakomaly. “Amidin’ireo olon-dratsy 100 tapitrisa ha­tramin’ny 120 tapitrisa Ar ny voasamaso, araka ny fanadihadiana natao azy”, hoy ny fanazavan’ny Talem-paritry ny polisim-pirenena Ihosy, omaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa misy olona mitady mpividy voamaso tao amin’ny tanànan’Ana­la­mahavelona, […]