Misongadina amin’ny maro. Nahazo ny mari-pankasitrahana fara tampony noho ny filofosany amin’ny mozika i Ilo Rakoto, mpiangaly piano, teratany malagasy. Nandingana tsikelikely ny zana-tohatra rehetra. Vaovao lehibe, kanefa tsy nahagaga ihany koa satria tena mendrika ho an’i Ilo Rakoto ny nahazoany ny medaly volamena avy amin’ny Académie Arts-Sciences-Lettres any France. […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
An-dalam-pananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro hamatsy ny Sekoly ambony ao Vontovorona ny Jirama amin’izao fotoana, hamaliana ny filan’ny mpianatra. Efa tafapetraka kosa ireo “onduleurs” sy takela-masoandro miisa 2600 raha toa ka efa ao Mandroseza ihany koa ny vata mpanova herinaratra. Andrasana amin’ity herinandro ity ny fifanarahana […]
Orange AINGA DATA : Azon’ny Orange Digital Center ny loka voalohany
Norombahan’ny Orange Digital Center ny amboara tamin’ ny fiofanana momba ny faharanitan-tsaina Artifisialy ho an’ny tanora malagasy. Nifantoka tamin’ny «Step Up Brain» na fametrahana vovonana hampivondronana sy hanadihadiana ireo antotan-kevitra ka ahafahana mandray fanapahan-kevitra ny tetikasan’ireo tanora. Nahazo ny «prix coup de cœur kosa ny Ecole Nationale de l’Informatique (ENI) […]
Salon RSE & IDD : Hametraka tetikasam-pampandrosoana maharitra
Voafaritra nandritra ny lanonam-pamaranana ny «salon RSE & IDD», andiany faha-10, ny zoma teo, tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ireo vinan’ny hetsika ho an’ny taona manaraka. “Kendrena ny hametraka sehatra nasionaly hanohanana sy hanafainganana ireo tetikasa momba ny fampandrosoana maharitra”, hoy ny tale mpanorina ny Innoveo sady mpikarakara ny hetsika, Rabefitiavana […]
Vary : Hakarina 11 256 000 taonina ny vokatra, ny taona 2030
Mikendry ny hampiakatra ny voka-bary hatrany amin’ny 11 256 000 taonina (t) amin’ny taona 2030 i Madagasikara hahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Tanjona ny hialana tsikelikely amin’ny fanafaram-bary, izay mahatratra hatrany amin’ny ny 500 000 t isan-taona hamaliana ny filan’ ny mponina. Tombony lehibe ho an’ i Madagasikara ny sehatry ny […]





