Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Iraimbilanja etsy amin’ny Piment Café Beho­ririka. Tafiditra hatrany amin’ny fanamarihana ny faha-20 taona nisian’ity toeram-pialamboly ity, anjaran’ny tarika Iraimbilanja indray ny manafana ny sehatra anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Fara Gloum any Moramanga. Taorian’ny fihaonana tamin’ireo mpankafy tetsy Ambodivona, ny alarobia teo, manome fotoana ireo any Moramanga […]

Haikanto vita amin’ny teny: nisokatra omaly ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra

Miezaka hatrany ny tomponandraikitra mikarakara hetsika sy mamolavola paikady entina mampiroborobo ny haikanto malagasy vita amin’ny teny. Manana anjara lehibe amin’ny fanabeazana sy fitaizana mantsy izy ity ka tokony hatao laharam-pahamehana. Tontosa, omaly tolakandro, teny amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra. Nanotrona […]

Fanatanjahantena ho an’ny sembana : azo ireharehana ny vokatra azon’ i Madagasikara

Enta-mavesatra eo anivon’ny to­kantrano sy ny fiarahamonina ny fijerin’ny Mala­gasy ny olona manana fahasembanana. Mi­he­vitra izy ireo fa nisy tsy nety nataon’ny ray aman-dreny tany aloha ka antony nahatonga ny zaza iray ho sembana, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny mampivoatra ny fiainan’ ny sembana ny fanaovana fanatanjahantena. Entin’ny olona mangataka […]

FANTINA sy FINTINA

Hampahafantarina anio, ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany. Efa tokony ho omaly izany saingy mbola nisy fandaminana farany amin’ny ho toerana iandraiketan’ireo minisitra sasany. Mitaky ny fiverenana amin’ny soatoavina « Fihavanana » ny “Nonce Apostolique”, ny Mgr Tomasz Grysa. Niarahaba sy nirary soa […]