Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Hiverina an-dakilasy ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra manomboka ny alatsinainy izao, hanohy ny roa volana fahatelo. Herin’ny taom-pianarana ny roa volana fahatelo sy fahefatra, hoy ny mpanabe ka mila mifantoka tsara ny mpianatra. Eo no mamita ny lesona anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja rehetra fa fizarana no atao betsaka ho […]

Mahazengy- RN 7 : hametrahana tetezam-by ka ho tapaka

Manoloana ny mety ho mbola fiakaran’ny rano anatin’ny fotoam-pahavaratra, nanao fanambarana ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa tsy maintsy hametraka tetezam-by vonjimaika (pont bailey) eo amin’ny PK 416+300 mandalo ny fokontany Mahazengy ny teknisianina. Ho fisorohana ny loza sy ho fiarovana ny mpampiasa lalana no anton’izany. Nanomboka omaly ny asa. Haharitra […]

Taorian’ny fandalovan’i Alvaro : folo ny olona maty, 25 837 ny tra-boina

Mitombo isan’andro ny isan’ny olona maty sy ireo tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Dibo-drano avokoa ny voly rehetra ao amin’ny distrikan’i Morombe. Folo ny olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, efatra any Beroroha, telo Ma­nakara, iray Vohipeno, iray any Manja ary iray hafa any Ikongo. 25 […]

TARATRY ny KANTO

Fampiaraham-peo miavaka no hisantatra ny sehatry ny Piment Café Behoririka, anio alina. Hifampizara sehatra amin’izany i Bebey sy Benny ary i Nini. Tsy zovina amin’ny mpankafy azy ny seho sy ny mozikan’ireto mpahay kanto mpihira ireto. Vonona ny mpikarakara sy ny mpanakanto hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy azy […]