Nitombo 228 ny olona tonga nozaham-pahasalamana teny amin’ny hopitaly HJRA, nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny andron’ny taombaovao. Ho an’ny sampana vonjy aina manokana, tsy maintsy nampidirina hopitaly ny 46 tamin’izy ireo. 2 kosa ny maty. Roa ihany koa ireo razana avy any ivelany nalefa teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiatrehana ny taom-baovao : nanampy ireo marefo ny antoko Hiaraka isika
Tsy nanadino ireo tokantrano marefo ny antoko Hiaraka isika amin’izao fiatrehana ny taona vaovao izao. Naneho ny fifampitsinjovana ho mariky ny fihavanana sy amin’ny maha antoko maneho firaisan-kina eo amin’ny samy mpiara-belona azy ny mpiara-dia amin’ny Jly Camille Vital. Nisitraka asa sosialy avy amin’izy ireo, tamin’ny alalan’ny mpandrindram-paritry ny Hiaraka isika, […]
Ravalomanana Marc: « Hotohizana ny tolona »
“Hanohizana ny tolom-panafahana ny taona 2024. Mila sahy sy mijoro isika rehetra mba hamerenana indray ny fiandrianam-pirenena. Tsy hanaiky ny fametrahana ny jadona sy ny fitondrana tsy rafesi-mandidy isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, teny Faravohitra, omaly. Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko ny tenany. Niantso […]
INDRAY MIJERY
Nosokafana avy hatrany ny « Centre de coordination opérationnel » miasa andro sy alina, mandrindra ny fitantanana sy fanaraha-maso ny tranga amin’ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Efa an-dalana mihazo an’i Morombe ny ekipan’ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka, mitondra ny fitaovana samihafa toy ny moto pompe, sns. Olona 100 no […]
Fiatrehana rivodoza ; Skoto 120 nirotsaka an-tsehatra
Tanora skoto tily miisa 120 no nirotsaka teny anivon’ny fiarahamonina ny andro voalohany amin’ity taona vaovao 2024 ity. Nampiomana ireo mponina mandritra ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro izy ireo. Nanao fanentanana sy fampiomanana ny mponina ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe, amin’ny fiatrehana izany. Toy ny tao Toliara I, Toliara […]





