Entina hanampiana amin’ny fitantanana ara-bola sy hanaraha-maso ireo orinasa mitsangana eto Madagasikara ny tanjona napetraky ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) nandritra ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny foibem-pitantanana natao ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (centre de gestion agréé, CGA) tetsy Analakely, omaly. Tombony amin’ny CGA ny fanamorana ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fitaterana: tafaverina ny zotra an-dalamby FCE
Hiverina hisokatra manomboka rahampitso sabotsy 23 desambra ny zotra an-dalamby FCE mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara rehefa niato volana vitsy lasa izay. Hanamora ny fitateram-bokatra sy ny entana amin’ireo faritra roa ireo ity zotra an-dalamby ity. Hampifandray an’ireo tanàna manodidina fa indrindra hampiroborobo ny toekarena sy ny fizahantany ao an-toerana […]
Fizahantany : nanodina horonantsary teto Madagasikara ny Bollywood
Tonga teto Madagasikara ny ekipan’ny trano famokarana sarimihetsika goavana indiana Bollywood. Nanodina horonantsary tany Toliara sy teto Antananarivo izy ireo, andaniny, sady hampiroborobo ny fizahantany mankaty Madagasikara, ankilany. Resy lahatra ! Nisafidy an’i Madagasikara ny trano mpamokatra sarimihetsika malaza sady goavana indrindra any India, Bollywood, noho ny hakanton’ity Nosy ity. Nanodina […]
FANTINA sy FINTINA
Hanao fetin’ny Noely eny amin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina mianakavy raha tsy misy ny fiovana. Efa fanaony isan-taona izany sady teny an-toerana koa no nitondrana am-bavaka sy ny nanombohany ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana farany teo. Efa nihena ny isan’ireo mpitandro filaminana miatrana etsy Analakely, hatramin’ny nahavitan’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika. […]
Fifidianana depiote sy ben’ny Tanàna : nanofanina ireo vehivavy te ho kandidà
Nanofana ireo vehivavy liana ka te ho kandidà amin’ny fifidianana ho avy ny eo anivon’ny Filankevitra nasionaly ho an’ny vehivavy (CNFM), omaly. Nambaran’ny filohany, Andriamasy Estelle, tamin’izany fa nampahafantarina ireo mpiofana ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny andraikitr’izany ben’ny Tanàna na mpanolotsaina kaominaly izany. Ny fanamafisana ny fahaiza-mitarika ary ny tokony […]





